Miverina ny delestazy eto Antananarivo, izay maharitra adiny roa isan’andro, araka ny fanambaran’ny Jirama. Antony, nihena ny haavon’ny rano any
amin’ny toby Andekaleka, satria tsy ampy sahady ny rotsakorana amin’izao volana avrily izao.
Mandeha ny fanarenana ny RN7, mampitohy an’Antananarivo sy Antsirabe. Fikojakojana mahazatra, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirimbolan’ny lalana (FR) vola. Manomboka eo Behenjy, Ambatolampy, Ampitatafika, Antanifotsy.
Mamokatra singa azo avy amin’ny anamalaho aondrana any ivelany hanaovana fanafody, ny orinasa Bionexx. Mamboly sy mamatsy azy ny tantsaha any amin’ny kaominina Iarintsena, faritra Matsiatra Ambony. Nampivoatra sy nanatsara ny fidiram-bolan’
izy ireo ity fihariana iray ity, sady mandray anjara
amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.
Mitotaly 786,6 tapitrisa dolara ny entana naondran’i Madagasikara tany Etazonia ny taona 2024. Mitentina 53,4 tapitrisa kosa ny entana nafarantsika, nihena 13,2% (8,1 tapitrisa dolara) izany raha oharina ny taona 2023. Mitana ny laharana faharoa mpandray entana avy eto Madagasikara ny Etazonia.