Nitondra fanazavana. Nambaran’ny governoran’ Analamanga, Rasoamaromaka Hery, omaly, fa tsy mitsahatra miasa andro aman’alina ho fanomanana ny fandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny COI ireo mpiasa rehetra eo amin’izy ireo. “Ivon’ny fivoriambe ny eto Analamanga ary efa tao anaty fandaharanasa hanatsarana ny Renivohitra, ataon’ny faritra, ireo asa rehetra tanterahina amin’izao fotoana izao”, hoy izy. Nambarany anefa fa naroso ny tetiandro fanatanterahana izany mba handraisana ireo vahiny hanatrika ny fihaonambe. Nanteriny fa manohana sy miara-miasa hatrany amin’ny fitondrana, tarihan’ny filoha Rajoelina Andry ny eo anivon’ny fiadidiana ny faritra. Nankasitrahany koa ny vahoaka manohana ny asa rehetra. Naneho ny fialantsiny koa anefa ny faritra noho ny fanelingelenana mety aterak’izany.
Fahadisoan-kevitra
Tsiahivina fa narahina fidinana ifotony izany. Nanara-maso sy nijery ny fizotry ny asa teny amin’ny lalana Ivato sy Tsarasaotra ary Antsahamanitra ny governora mba hampaharitra ny asa atao. Ny hanatanterahana ny asa haingana, araka izay azo atao.
Nifampiresahana koa ny mety ho tohin’ireo fanajariana ireo lalana amin’ny tanin’ny olona sasany teny amoron’ny lalana eny Ivato. “Natao izany mba tsy hisian’ny fahadisoan-kevitra ho amin’ny fanakorontanana”, hoy izy.
Synèse R.