Auteur/autrice : Adnews

Fi.Mpi.Ma 60 taona: hitohy amin’ny « Kabary Tours » ny « Sahobin’ny mpikabary »

Fikambanana zokiny indrindra amin’ny fanandratana ny hasin’ny kabary malagasy. 60 taona ny Fikamban’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma). Tsy ho lalovam-potsiny io vanim-potoana io fa hisy ny hetsika mitohy. Tontosaina, anio, ao amin’ny Carlton Madagas­car etsy Anosy, ilay hetsika lehibe « Sahobin’ny mpikabary », hotanterahin’ny Fi­kambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi. Ma). Manomboka amin’ny […]

Praiminisitra Ntsay Christian : “Mijery lavitra isika… Nametraka vatofehizoro”

Notanterahina tao amin’ny kaominina Maroa­lo­mainty, Ambovombe, ny fanombohana tamin’ny fo­mba ofisialy ny herinan­dron’ny karatany, ho an’ny faritra Androy. Tany an-toerana ny Praiminisitra, Ntsay Christian. Manoratra ny tantara ny fitondram-panjakana. Nambarany fa mahatsiaro lalandava ny vahoaka any amin’ny faritra Androy ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina. Antony mahatonga ny lehiben’ny governemanta manentana ny […]

Minisitry ny Serasera sy ny eo anivon’ny OJM : “Avelao hiasa an-kalalahana ireo mpanao gazety”

Nanao antso avo ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotodrazafy Lalatiana sy ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanaoa gazety (OJM), omaly. Antony ny fisian’ny fanohintohinana ny asan’ny mpanao gazety, amin’izao fotoana izao. «Miray fo sy mi­ray saina amin’ny mpa­nao gazety voatohintohina tamin’ny fanatanterahana ny asany ny tenako», hoy ny […]

Digue Fenoarivo : vehivavy niampita tampoka, maty voafaokan’ny fiara

Maty voadonan’ny fiara ny vehivavy iray, teo amin’ny lalam-pirenena voalohany, tetsy Ambodiafotsy, anatin’ny kaominina Fenoarivo, afakomaly. Avy nanatitra sakafo ho an’ny reniny izay narary teny anivon’ny hopitaly Fenoarivo, nikasa hody eny Itaosy ny vehivavy iray sy ny olona dimy niaraka taminy. Niam­pita arabe anefa izy ireo rehefa tonga teo Ambodiafotsy […]

Fahaleovantena hoe !

Nosokafana tamin’ny fomba ofisilay, omaly, ny fankalazana ny tsingerin-taona, namerenana ny fahaleovantenan’i Madagasikara, taorian’ny fanjanahantany. Nanakoako teto an-drenivohitra ny lanonana. Toy ny mahazatra, mamelombelona ny afon’ny fitiavan-tanindrazana izany. Manohina ny fo hatrany ny fihainoana ny tantara sy ny lalana nizoran’ilay Madagasikara malalantsika. Ma­moha ilay ambom-po, efa kivikivin’ny fanaovana politika eto […]