Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    CUA-WENZHOU : sehatra maro ny fiaraha-miasa

    CUA-WENZHOU : sehatra maro ny fiaraha-miasa

    Natao omaly tetsy amin’ ny Lapan’ny Tanàna Ana­la­kely ny fanaovan-tsonia ara-pifandraisana teo amin’ny Tanànan’Antananarivo Reni­vohitra sy ny Tanànan’i Wenzhou (Chine). Hisy ao anatin’izao fiaraha-miasa izao ny fifanakalozan-kevitry ny sehatra tsy miankina, eo koa ny fiaraha-miasa eo amin’ireto tanàna roa ireto. Nanatrika ny fanaovan-tsonia, omaly, ny solontenan’ny GEM (Groupement des Entreprises de Madagascar) sy ny solontenan’ny […]

    Tetikasa Produir: nahazo fitaovana hiadiana amin’ ny Covid-19 ny CUA

    Tetikasa Produir: nahazo fitaovana hiadiana amin’ ny Covid-19 ny CUA

    Kamiao lehibe 4 miteti-bidy 715 000 dorala, fanamiana (combinaisons) miisa 100, kiraro baotymisa 1 300, fonon-ta­nana miisa 1 300, ary visières miia 1.300 miaraka amin’ ny fitoeram-pako 750 no azon’ny kaominina Antana­na­rivo Renivohitra tamin’ny alalan’ny tetikasa Produir (PROjet de Développement Urbain Intégré et de Ré­si­lience du Grand Anta­na­na­rivo), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany, […]

    Hanoanana any atsimo: vokatry ny fahantrana …

    Tsy avy amin’ny fiakaran’ny maripana, araka ny nambaran’ny Firenena mi­kam­bana, no mitarika ny ha­noanana any amin’ny tapany atsimon’i Madaga­si­kara fa vokatry ny fahantrana sy ny fiovan’ny toetr’andro voajanahary, hoy ny valin’ny fanadihadiana World weather attribution (vondron’ny siantifika mpikaroka momba ny fiovan’ ny toetr’andro) nivoaka ta­min’ity herinandro ity. 1 tapitrisa ny olona ma­na­na olana ara-tsakafo vo­ka­try […]

    Ladies Circle Madagascar I: nentanina momba ny fahadiovana amin’ny fadimbolana ny mpianatra

    Ladies Circle Madagascar I: nentanina momba ny fahadiovana amin’ny fadimbolana ny mpianatra

    Miantsehatra amin’ny asa sosialy ho an’ny vehivavy, renim-pianakaviana sy ankizivavy ny fikambanana Ladies Circle Mada­gascar. Ho an’ireo eto An­alamanga, nisafidy ny CEG Ambohibao izy ireo nitsimbina manokana ireo tovovavy mpianatra ao amin’ny kilasy 3ème. Nanentana mikasika ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana ny fikambanana. Tanjona ny hanampy ireto tanora hahay hiatrika io vanim-potoana tsy ma­intsy lalovan’ny […]

    Fahasalamana: mampatahotra ny firenena maro ny valanaretina omicron

    Fahasalamana: mampatahotra ny firenena maro ny valanaretina omicron

    Tsy mbola misy eto Madagasikara ilay aretina omicron izay efa mampihorohoro ny firenena maro. Haingam-pifindra saingy maivana kokoa miohatra tamin’ilay delta anefa izy raha ny fitrangany. Na izany aza, mamely eto amintsika ny gripa mahery izay mahazo ny ankizy madinika.  Efa maro ny firenena ahitana ilay ilay va­ri­ant vaovao omicron izay efa mandravarava any Afrika […]

    Judo-Mada 2021: hanomanana ny JO 2024

    Judo-Mada 2021: hanomanana  ny JO 2024

    Fanamby lehibe ny hapetraky ny federasiona malaga­sin’ny taranja judo, amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasi­kara, taom-pikatrohana 2021. Ankoatra ny maha fifaninanana tokana azy ta­min’ity taona ity, hanomanana sahady ny lalao olympika 2024 izany, raha ny fanazavan’ny Sekretera Jene­raly eo anivon’ ny FMJ, i Said Bruno Eric. Raha toa solontena iray ihany ny niatrika ny lalao olympika […]

    Tsipy kanetibe – Tompondakan’i Afrika sy “Mondiaux 2021” : Afa-po tamin’ny vokatra azon’ny ekipa malagasy ny FSBM

    Tsipy kanetibe – Tompondakan’i Afrika sy “Mondiaux 2021” :  Afa-po tamin’ny vokatra azon’ny ekipa malagasy ny FSBM

    Tsy nampitsanga-menatra an’i Madagasikara ny vokatra azon’ny ekipa teo amin’ireo fifaninanana iraisam-pirenena roa dia ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika sy ny “Mondiaux”, taranja tsipy kanetibe, raha ny tatitra nataon’ny federasiona (FSMB). Tompondaka eran-tany sy medaly volamena iray, teo amin’ny “tir de précision”, sy medaly volafo­tsy amin’ny maha tompondaka lefitra, ho an’ny sokajy “ju­nior” teo […]

    Tetikasa Pagose: voaverin’ny Jirama ny volan’ny Banky iraisam-pirenena

    Voaverin’ny Jirama amin’ny Banky iraisam-pirenena (BM), ny 2 desambra 2021 teo , ny vola 637 000 dolara. Tsia­hivina fa natao ho fanatsarana ny fitantanana ao amin’ny Jirama, tetikasa Pagose *, io vo­la io hividianana fitaovana sa­mihafa (compteurs, disjoncteurs …). Rehefa natao anefa ny fanamarihana, tsy hita ireo fitaovana ireo, hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny […]

    Analamahitsy- Nanisana- Mahazo : Fokontany 12 nahazo fotodrafitrasa vaovao

    Analamahitsy- Nanisana- Mahazo : Fokontany 12 nahazo fotodrafitrasa vaovao

    Fokontany 12 eny Anala­mahitsy, Nanisana, Mahazo no voakasika amin’ny tetikasa Rocade, ka omaly ny nandraisan’ny minisitry ny Fanajariana ny tany, Andrianainarivelo Ha­jo, sy ny solontenan’ny CUA ireo fotodrafitrasa ireo avy amin’ny Vondrona eoropeanina (UE) sy AFD. Napetraka ireo fotodrafitrasa ireo (paompin-drano 19, fanasan-damba 6, ary toby fitsaboana fototra 2) hanatsarana ny fari-piainan’ny vahoaka, «Miankina amin’ireo […]

    Minisiteran’ny Tanora : tanora mahay mitantana sy mitarika

    Minisiteran’ny Tanora  : tanora mahay mitantana sy mitarika

    Navoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ireo tanora miisa 300, niofana mikasika ny fahaizana mitantana sy mitarika. Nampiofana azy ireo ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS). Maharitra iray volana sy tapany ny fiofanana ary nitotaly enim-bolana ho an’ity taona 2021 ity. Namba­ran’ny minisitra lefitra misahana ny tanora, Rtoa Ratovoson Julianna, fa tanora ny 70%-n’ny Malagasy, […]

    Star: nitarina ny ozinina any Ambatolampy

    Star: nitarina ny ozinina any Ambatolampy

    Isan’ny orinasa indostrialy miroborobo ny Star. Notokanana, omaly zoma 3 desambra, ny fotodrafitrasa vaovao ao amin’ny ozinina any Ambatolampy, notarihin’ny filoha Rajoelina Andry, notronin’ny tale jeneraly (DG) ny Star, Marc Pozmentier.  Lasan’ny Star ny ozinina any Ambatolampy ny tao­na 2014, namokatra labiera. Nitarina izany, ankehitriny, ka afaka mamokatra ny zava-pisotro hafa, toy ny alcoomix, ny […]

    Alahadin’ny Mpitandrina : hisy ny «Tolakandrom-piraisankina…»

    Alahadin’ny Mpitandrina : hisy ny «Tolakandrom-piraisankina…»

    Vohitra Ambohimamory sy ny fiangonana FJKM mi­orina eo aminy, toerana manan-tantara. Nipoirana mpanakanto sangany… ! Ireo rehetra ireo, ho tazana rahampitso alahady 5 desambra, eny an-toerana, avokoa. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ho­ton­tosaina ao amin’ny FJKM Ambohimamory ny Alahadin’ny Mpitandrina Randriamanantenasoa Martin. Fotoana hitondrana am-bavaka sy fanohanana ny asa izay iandraiketany. Ny hariva manomboka amin’ny 3 ora, no […]

    Miora Killah : nivoaka ny “Fankahalana sy Fitiavana”

    Miora Killah  : nivoaka ny “Fankahalana sy Fitiavana”

    Nalai-nisaraka, afa-po ny mpanatrika… Nivoaka tetsy amin’ny Fili’In Antsakaviro ny rakikira “Fankahalana sy Fitiavana”, ny herinandro teo, vokatra voalohany an’i Miora Killah. Seho sehatra niavaka, niarahana tamin’ireo mpiangaly ny mozika rap izany, izay nahitana an-dry Ratex, Raikambon’zato, Tiganagara,Raozona, KVR, West «Kilowatt» , Nova «102 Fassad», Vercors, Ma­my Saya & Alkassim, Ndoas& Nephesch Ta’An, Adama Skay, […]

    Mozean’ny Rock Malagasy: fampirantiana tantara an-tsary, mikasika ny tarika Kiaka

    Mozean’ny Rock Malagasy: fampirantiana tantara an-tsary, mikasika ny tarika Kiaka

    Anisan’ireo nanamarika ny tantaran’ny mozika Rock teto Madagasikara ny tarika Kiaka. Mitodika amin’ny tarika ny Mozean’ny Rock Malagasy, amin’izao fanamarihana ny faha-35 taonany izao.  35 taona nisiana, ka maro ny azo tantaraina mikasika ny tarika Kiaka. Efa lanin’ireo mpankafy tsianjery ny hira. Endrika hafakely amin’ny fankalazana kosa ny fampirantiana tantara an-tsary, izay mahakasika ny tantara […]

    Finoana sy politika : nodimandry ny mompera Sylvain Urfer

    Finoana sy politika : nodimandry ny mompera Sylvain Urfer

    Nodimandry, omaly tany Frantsa, teo amin’ny faha-80 taonany ny mompera Sylvain Urfer. Niasa teto Madagasi­ka­ra, nanomboka ny 1974 hatramin’ny 2005 ny tenany. Efa nitantana ny fiangonana katolika etsy Anosibe. Nanampy ireo sahirana teny an-toerana ny tenany tamin’ny alalan’ny «Association pour le développement d’Anosibe – ADA». Teo ny lafiny fanabeazana sy ny fiahiana sosialy. Etsy andaniny, […]

    Fifanatrehan’ny governemanta sy ny depiote : namaly ny tsikera tsy mitombina ny minisitra Lalatiana A.

    Fifanatrehan’ny governemanta sy  ny depiote : namaly ny tsikera tsy mitombina ny minisitra Lalatiana A.

    Nitondra valin-kafatra ho an’ny depiote Ratsiraka Ro­land ny minisitra sady mpitondra tenin’ny governemanta, Lalatiana Andriantonga­rivo, omaly teny amin’ny CCI Ivato. Nohitsiny fa tsy azo ekena ny fiampangana ny filoha ho nandainga. “Tsy mitombina izany. Velirano sy fampantenana amin’ny 2023 no nifanarahana amin’ny vahoaka. Mbola manana roa taona hanatanterahana izany izy ka tsy hotsaraina aty amin’ny […]

    Fitarainan’ireo depiote : 70 000 ar ny lasakan’ny simenitra, 70 Ar ny letisia

    Fitarainan’ireo depiote : 70 000 ar ny lasakan’ny simenitra, 70 Ar ny letisia

    Namatrapatratra sy tsy nitsitsy fitenenana. Betsaka ireo fitarainan’ireo depiote nampitaina amin’ireo mpikamban’ny governemanta. Anisan’izany ny olana sosialy, ny fotodrafitrasa…  Anisan’izany ny any Ikongo. “70 000 Ar ny lasakan’ny simenitra raha 70 Ar ny kilaon’ny letisia… Anton’izany ny ha­ratsin’ny lalana. Efa manangasanga ny fotodrafitrasa hamboarina saingy hanahirana ireo orinasa hisahana ny asa ny haratsin’ny lalana”, hoy ny […]

    Fandorana tranona jeneraly : afaka noho ny fisalasalana ireo voarohirohy

    Tsy afa-po tamin’ny di­dim-pitsarana nivoaka omaly tao Antsirabe ny fianakavian’ireo manamboninahitra ma­ty tao Antaniavo, herintaona lasa izay. Tokony ho tamin’ny 03 ora maraina, omaly vao nivaly ny fitsarana ny raharaha. Afaka noho ny fisalasalana avokoa ireo olona 15 voarohirohy tamin’ity vonoan’olona sy fandorana trano ity noho ny tsy fahampian’ny porofo. Voaheloka higadra fito taona an-tranomaizina […]

    Vaky fasana, halatra taolam-paty… : roa lahy voaheloka higadra mandra-pahafatiny

    Vaky fasana, halatra taolam-paty… : roa lahy voaheloka higadra mandra-pahafatiny

    Hentitra ny fitsarana am­bony nanoloana ny vaky fasana sy halatra taolam-paty ary fanimbazimbana fasan-drazana niseho tao Ambodirotra fokontany Ambalahasina, kao­minina ambanivo­hitr’Am­binaniniony distrikan’i Bric­ka­­vil­le. Notsaraina tao amin’ny lapan’ny Fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava ny antontan-taratasin’ady laharana faha 90-Toa/21-2883-RP/20, afakomaly, tao anatin’ny fotoam-pitsarana ady heloka bevava andiany faharoa. Nafana ny adihevitra teo amin’ny voampanga efatra […]

    Raharaha Kevin Yang : Andrasana ny didim-pitsarana

    Vita omaly ny fitsarana ny dosie mahakasika ny nahafatesan’i Kevin Yang, ilay tovolahy teratany sinoa, 17 taona maty noho ny lozam-pifamoivoizana tetsy Mandrosoa Ivato, ny 23 septambra lasa teo. Araka izany, andrasana ny 10 desambra izao ny didim-pitsarana ny raharaha. Tsiahivina fa efa nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora ilay ramatoa voalaza fa nandona sy nahafaty […]

    Minisitry ny Fiarovam-pirenena: tsy misy intsony ny fanomezana solon-tsakafo ho an’ny miaramila

    Minisitry ny Fiarovam-pirenena: tsy misy intsony ny fanomezana solon-tsakafo ho an’ny miaramila

    Nahitsy ny fanazavan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotonirina Richard momba ny fisian’ireo miaramila mitaky solon-tsakafo amin’ireo vahoaka any amin’ireo faritra hamitan’izy ireo iraka momba ny fitandroana ny filaminana nandritra ny fifandaharana tamin’ny depiote… «Tsy misy intsony ny fanomezana solon-tsakafo ho an’ny miaramila fa antsoy izahay raha misy an’izany fa tsy azo ekena ny […]

    Fandriampahalemana… mila marin-toerana

    Fandriampahalemana… mila marin-toerana

    Mihena ny tahan’ny tsy fandriampahalemana amin’izao, raha ny tatitry ny eo anivon’ny fitandroana filaminana. Ny vahoaka ifotony no mahita sy mitsara izay iainany isan’andro. Mba hitohy izay fandriampahalemana izay, fa tsy ho injainjay na tarehimarika fotsiny: mandroso mihemotra na, sanatria, mety hitombo aza ny asan-jiolahy amin’izao fiatrehana ny fetin’ny Krismasy ny faran’ny taona izao. Mampieritreritra, […]

    Filoha Rajoelina Andry: « Hapetraka ny indostria hitondra asa sy hamokatra eto an-toerana »

    Filoha Rajoelina Andry:  « Hapetraka ny indostria hitondra asa sy hamokatra eto an-toerana »

    Nanamafy ny fanatanterahana ny fandaharanasa «ODOF- One district one factory» na orinasa iray isaky ny distrika ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny fitokanana ny fanitarana ataon’ny orinasa Star, natao tany Ambato­lam­py, omaly. Nambarany fa manohana ny indostria ma­nampy amin’ny fandrosoana ara-toekarena sady manampy amin’ny fanalefahana ny tsy fisian’ny asa ny fanjakana. Nanamafy ny maha zava-dehibe ny […]

    Fanafiana atoandro teo Analakely: Voaroban’ny jiolahy ny vola 25 tapitrisa Ar

    Fanafiana atoandro teo Analakely: Voaroban’ny jiolahy ny vola 25 tapitrisa Ar

    Fahasahiana tsy roa aman-tany. Andro atoandrobenanahary no nanafika magazay etsy Analakely ny jiolahy tsy nisaron-tava. Voaroba ny vola 25 tapitrisa Ar. Nirefotra ny basy, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany tetsy Analakely. Lasi­batry ny fanafihan-jiolahy nirongo basy ny magazay iray mivarotra “balatome” eo an-toerana. Tsy nisy nanampo ny rehetra satria niditra toy […]

    Jery taratra…

    Vahoaka… antom-pisiana fitondrana Nifantoka betsaka amin’ny sosialim-bahoaka ny fangatahan’ny ankamaroan’ny depiote tamin’ny fifanatrehan’ny Antenimierampirenena tamin’ny governemanta: olana amin’ny famatsian-drano, tsy fandriampahalemana, fanamboaran-dalana… Nambaran’ny Praiminisitra fa tsy mihevitra hiverina amin’ny hamehana ara-pahasalamana aloha ny fitondram-panjakana amin’izao, na mbola ao anatin’ny krizy ara-pahasalamana aza i Madagasikara. Efa voadinika tsara ny fanokafana ny sisintany. Nanao fianianana handray asa […]