Ho tonga eto Madagasikara hitily mpilalao miisa 60 ireo vahiny teknisianina miisa efatra. Hanomboka ny alatsinainy ho avy izao ny fitsapana ho an’ireo Malagasy mpilalao baolina kitra. Ho fampivoarana ny baolina kitra malagasy sy ho fampiakarana ny isan’ireo Malagasy mpilalao mila ravinahitra any ivelany, nampahafantarina, omaly, tetsy amin’ny kianjan’ny Barea […]
Fanatajahantena
Judo-Tomokazu Iwahori : nifarana ny iraka nataony teto Madagasikara
Niasa an-tsitrapo ho an’ny taranja judo teto Madagasikara, ny Sensei Tomokazu Iwahori, ilay mpanazatra teratany japoney. Nandritra ny taona vitsivitsy izy no nanampy ny Federasiona malagasin’ny judo, teo amin’ny lafiny teknika sy nanampy ny ekipam-pirenena malagasy niatrika fifaninanana iraisam-pirenena maro. Nifarana tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity izany iraka nataony ho an’ny […]
“Orange Pro League” : hanomboka ny volana janoary
Nambaran’ny filohan’ny Clubs de foot-ball élite de Madagascar, Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta, fa hanomboka ny volana janoary 2024, ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League” (OPL), taranja baolina kitra. Araka ny efa nambarany, misy ny fanovana hatao amin’ity fifaninanana ity. Anisan’izany ny hampiraisana ireo klioba rehetra mifaninana amin’ny OPL ao anaty […]
Road to BAL – Élite 16: nandresy ny Ferroviario ny Cospn
Nahomby ny ekipan’ny Cospn omaly, nanoloana ny Ferroviario Mozambika. Ao anatin’ny fifanintsanana “Élite 16”, hahazoana ny tapakila hiatrehina ny “Road to BAL” 2024, taranja basikety. Nandresy tamin’ny isa 88 no ho 57 ny Malagasy. Hatrany am-piandohan’ ny lalao no efa nanantombo ny Cospn ary voatazony hatramin’ny fiafaran’ ny fihaonana izany […]
Fifanintsanana « Mondial 2026 »: hifanandrina amin’i Comores i Madagasikara
Notanterahina ny alatsinainy lasa teo ny andro faharoan’ny fifanintsanana isam-bondrona hiatrehana ny “Mondial 2026”, taranja baolina kitra. Raha ho an’ny sokajy “I”, nahazo isa telo i Madagasikara rehefa nandresy an’i Tchad tamin’ny isa 3 no ho 0, tany Maroc. Ny ekipam-pirenen’i Comores no hifanandrina amin’ny Malagasy mpilalao, ny volana jona […]