Ho tanterahina anio any Maroc lalao, hihaonan’ny Barea de Madagascar sy ny Les Sao-n’i Tchad. Tafiditra amin’ny fiadian-toerana ho an’ny «Mondial 2026» izany. Hitohy anio alatsinainy ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny «Mondial 2026 », taranja baolina kitra, ho an’ny faritr’i Afrika. Anisan’ny hiatrika izany ny Barea de Madagascar, milalao ao amin’ny […]
Fanatajahantena
Volley – Ligin’Analamanga : hotohanan’ny Airtel ara-bola sy ara-pitaovana
Hosokafana amin’ny fomba ofisialy, ny 25 novambra izao, ny taom-pilalaovana ho an’ny ligin’Analamanga, Volley-ball. Ho fanombohana izany, vaovao tsara avy hatrany no hisantaran’ny ligy ny taona satria nahazo mpanohana izy ireo. Notanterahina omaly, tetsy Alarobia, foiben-toeran’ny Airtel Madagascar, ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Airtel Madagascar sy ny ligin’Analamanga, taranja Volley-ball, […]
Handball – CCCOI : hatao ny faran’ny volana febroary 2024
Notapahin’ny AHBOI (Association de handball de l’ocean Indien) fa hotanterahina ny faran’ny volana febroary 2024, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny ekipa tompon’ny amboara (CCCOI). Horaisin’i Maurice izany fihaonana izany, rehefa tsy vonona ny hampiantrano azy, ny Nosy Rodrigues. Ankoatra izay, nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Federasiona malagasy […]
“Fifanintsanana Mondial” : resy tamin’ny segondra farany ny Barea
Nanomboka omaly ny fifanintsanana hiadina ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026”. Resin’ny Black Star avy any Ghana tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Barean’i Madagasikara. Niady mafy saingy nanao ny tsy nambinina ny Barean’i Madagascar, omaly. Lavon’ny Black Star avy ao Ghana, tamin’ny isa 1 no ho 0 izy […]
“Fifanintsanana Mondial” : hihaona anio i Madagasikara sy i Ghana
Hanomboka anio ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026”, izay hatao any Etats-Unis. Lalao voalohany ho an’i Madagasikara ny fifanandrinany amin’i Ghana. Hotanterahina anio, ao amin’ny kianjan’i Baba Yara Kumasi Ghana, ny fihaonana eo amin’i Madagasikara sy i Ghana, taranja baolina kitra. Lalao tafiditra amin’ny fifanintsanana isam-bondrona ho […]