Hosokafana amin’ny fomba ofisialy, ny 25 novambra izao, ny taom-pilalaovana ho an’ny ligin’Analamanga, Volley-ball. Ho fanombohana izany, vaovao tsara avy hatrany no hisantaran’ny ligy ny taona satria nahazo mpanohana izy ireo. Notanterahina omaly, tetsy Alarobia, foiben-toeran’ny Airtel Madagascar, ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Airtel Madagascar sy ny ligin’Analamanga, taranja Volley-ball, […]
Fanatajahantena
Handball – CCCOI : hatao ny faran’ny volana febroary 2024
Notapahin’ny AHBOI (Association de handball de l’ocean Indien) fa hotanterahina ny faran’ny volana febroary 2024, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny ekipa tompon’ny amboara (CCCOI). Horaisin’i Maurice izany fihaonana izany, rehefa tsy vonona ny hampiantrano azy, ny Nosy Rodrigues. Ankoatra izay, nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Federasiona malagasy […]
“Fifanintsanana Mondial” : resy tamin’ny segondra farany ny Barea
Nanomboka omaly ny fifanintsanana hiadina ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026”. Resin’ny Black Star avy any Ghana tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Barean’i Madagasikara. Niady mafy saingy nanao ny tsy nambinina ny Barean’i Madagascar, omaly. Lavon’ny Black Star avy ao Ghana, tamin’ny isa 1 no ho 0 izy […]
“Fifanintsanana Mondial” : hihaona anio i Madagasikara sy i Ghana
Hanomboka anio ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026”, izay hatao any Etats-Unis. Lalao voalohany ho an’i Madagasikara ny fifanandrinany amin’i Ghana. Hotanterahina anio, ao amin’ny kianjan’i Baba Yara Kumasi Ghana, ny fihaonana eo amin’i Madagasikara sy i Ghana, taranja baolina kitra. Lalao tafiditra amin’ny fifanintsanana isam-bondrona ho […]
Tenisy sokajy vehivavy: misongadina i Madagasikara
Taorian’ny lalaon’ny Nosy 2023, izay notanterahina teto amintsika, ny 25 aogositra -3 septambra lasa teo, ka nahazoan’ny vehivavy mpilalao tenisy ny medaly volamena roa. Namiratra tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena indray ireo Malagasy, vehivavy mpilalao, ity taranja ity. Raha ho an-dRazafinarivo Mirindra, nahazo amboara telo tamin’ny fifaninanana telo natrehany, ho an’ny lalaon’olon-tokana […]