Afaka roa andro, hanomboka ny fifanintsanana ny hiadiana ny tapakila handraisana anjara amin’ny « Mondial Etats Unis 2026 », taranja baolina kitra, aty Afrika. Efa nanomboka nanao ny fanazaran-tenany tany Accra Ghana ireo mpilalaon’ny ekipam-pirenena malagasy. Marihina fa hifanandrina voalohany amin’izy ireo mandritra ity fifanintsanana ity ny ekipa nasionalin’i Ghana, Black Star, […]
Fanatajahantena
Tsipy kanetibe – PPF 2024: hiatrika ny famaranana lehibe i Lahatra sy Ra-Chre
Na mbola ao anatin’ny sazy aza ny federasiona sport-boule malagasy (FSBM), misy mpilalao mitondra ny lazan’i Madagasikara any Frantsa. Fantatra mantsy fa hiatrika ny famaranana lehibe amin’ny PPF 2024 i Lahatra sy Ra-Chre. Taorian’ny fahavitan’ny taom-pilalaovana 2023, namoaka ny lisitr’ireo mpilalao hiatrika ny famaranana lehibe amin’ny taranja tsipy kanetibe “Passion Pétanque Française 2024” (PPF), ny […]
Basikety any ivelany : mivoatra hatrany ireo Malagasy mpilalao
Mpilalao anisan’ny manohy fianarana sy ny basikety any ivelany, Rabibisoa Jerry Pépin, Andriatsarafara Lovasoa ary i Mathias M’Madi. Nahazoana vaovao tsara izy ireo ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny fifaninanana natrehiny avy. Ho an’i Jerry, izay milalao ao amin’ny Espoirs Gravelines-Dunkerque ao Frantsa, mpilalao nitondra fandresena ho an’ny ekipany izy, […]
Badminton – Mada 2023 : hizara roa ny fifaninanam-pirenena
Noho ny fahateren’ny fotoana sy ny olana eo amin’ny fahazoana ny kianja mitafo, hozaraina roa ny fanatontosana ny fifaninanam-pirenena, araka ny nambaran’ny tale teknika nasionaly eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny badminton. Hisantatra izany, ny an’ireo sokajy zandriny dia ny “junior” midina. Hotontosaina ny volana novambra izany. Any amin’ny volana desambra indray […]
Federasiona malagasin’ny bisikileta : hikarakara « Tournoi de l’Océan Indien »
Mifarana izay ny taom-pilalaovana 2023, ho an’ny taranja Bisikileta. Marihina fa nahazo medaly alimo iray izy ireo nandritra ny lalaon’ny Nosy 2023. Hisy fifaninanana iraisam-pirenena hatao ny taona 2024. Vita ny lalaon’ny Nosy 2023, nahazoan’i Madagasikara medaly alimo, izay natao teto amintsika, ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra lasa teo. […]