Tontosa ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny fifaninanana kick-boxing, nokarakarain’ny Fihezama. Mpikatroka manana ny maha izy azy anisan’ny niverina niakatra ringa i Maître Gildas. Nifaninana teo amin’ny sokajy -71 kg Low Kick izy ary nifanandrina tamin’i Maître Jhonny. Raha hiverenana ny mahakasika ny fifaninanana, ady niisa […]
Fanatajahantena
LARA Antsirabe: notoloran’ny minisitera fitaovana
Anisan’ireo nahazo fitaovana fanatanjahantena sy toerana fikotranana ny «salle de musculation» an’ny Lycée André Resampa Antsirabe (LARA), avy amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahatena (MJS), ny tanànan’ Antsirabe, omaly. Tonga nanolotra izany tao amin’ny Lycée André Resampa Antsirabe ny minisitry ny MJS, Haja Andre Resampa. Tsy natao ho an’ny mpianatr’ity […]
ANJORON-KITRA: Maty namela mamy Ra-Domi
Nandao ny tontolon’ny fanatanjahantena Rakotonandrasana Dominique (Gaoly Be). Niala ny kianja ka lasa niala sasatra any amin’ny fiainana mandrakizay. Tsy ny baolina kitra ihany ny hany nampalaza azy, fony fahavelony fa teo koa ny volley-ball sy ny basket-ball, nampamiratra sy nampalaza azy, fony izy mbola niakatra kianja. Noho izany indrindra […]
Barea de Madagascar: hatao avo roa heny ny tambinkaraman’ireo mpilalao
Homena fankasitrahana tsara lavitra noho izay efa nisy hatramin’izay, ireo mpilalaon’ny Barea de Madagascar, raha mandresy amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”. Fanambarana nataon’ny filohan’ny Federasiona malagasy, izany. Nihazo an’i Ghana, omaly alahady ny Barea de Madagascar hiatrika ny lalao voalohany eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”, […]
Basikety-Game on 3×3 : tompondaka teo amin’ny “Tir” i Olivio
Nizotra araka ny tokony ho izy, tany Toamasina, nanoloana ny Lapan’ny tanàna, ny fifaninanana basikety “Game on 3×3”, nokarakarain’ny Federasiona malagasin’ny basikety. Ankoatra ny fifaninana, nisy ihany koa ny “Concours Tir” ka i Olivio, mpilalaon’ny Ascut no nandrombaka izany. Raha ny voka-dalao kosa, tompondaka teo amin’ny sokajy Senior, lehilahy, ny […]