Misaona ny tontolon’ny baolina kitra malagasy. Nodimandry teo amin’ny faha-53 taonany Rakotonandrasana Dominique, Malagasy mpiandry harato. Efa nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy ny tenany nanomboka ny taona 1989-2015. Efa niaro ny voninahi-pirenena tamin’ny Barea Beach Soccer izy, ny taona 2010-2015. Tao amin’ny klioban’ny BTM Taolagnaro izy no nanomboka nilalao, tamin’ny sehatra […]
Fanatajahantena
« Mondial 2026 »: maratra i Nina, hisolo azy Rakotovazaha Allan
Tsy anisan’ireo hiaro ny voninahi-pirenena amin’ireo lalao roa tafiditra amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026” i Nina. Soloin’i Allan ny toerany. Afaka fito andro, hanomboka ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026”. Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly tao anaty tambajotran-tserasera. Tsy afaka […]
“World jiu-jitsu Championship” : laharana fahefatra i Zo Aina
Mpikatroka anisan’ny nahavita dingana tsara indrindra hatramin’izao i Zo Aina, ao anatin’ny fifaninanana “World jiu-jitsu Championship”, tontosaina any Abu Dhabi. Sokajy Master, 85 kg, “ceinture marron” no nisy azy ka nahazoany io vokatra io. Mpikatroka 10 mahery no niara-niainga taminy, teo amin’ny ampahavalon-dalana, nandresy izy ka nahazo ny tapakila niatrehana […]
Barea : notoloran’ny FMF baolina
Afaka valo andro, izany hoe, ny 17 novambra ho avy izao, hifanandrina amin’i Ghana any an-toerana i Madagasikara, amin’ny fifanintsanana hiadiana ny tapakilan’ny “Mondial 2026”. Ho fiatrehana izany, notoloran’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, fitaovana toy ny baolina ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Entina hampiasain’izy ireo mandritra […]
Kitra afrikanina : mety hiova endrika ny fiadiana ny «Chan»
Niteraka resabe teo anivon’ny tontolon’ny baolina kitra ny fiparitahan’ny vaovao tao anaty tambajotran-tserasera, omaly, fa hiova endrika ny fifaninanana “Chan” ka afaka mandray anjara ireo mpilalao mpila ravinahitra. Navoakan’ny gazety Sport news Africa, ny talata 7 novambra lasa teo, fa hiova endrika manomboka izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, […]