Hotanterahina any amin’ny faritra Boeny, ny 11 novambra hatramin’ny 3 desambra ho avy izao, ny fiadiana ny amboara, ligy Boeny, taranja Baolina kitra. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy tany an-toerana izany, ny 4 novambra lasa teo. Mitondra ny anarana hoe “Alidy Group 2023” ity fifaninanana ity. Miisa 16 ireo mpandray anjara […]
Fanatajahantena
«Ligue des Champions 2024» : hanala vela amin’ny Arsenal ny Seville FC
Hotanterahina anio, ny lalao miverina amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, ho an’ny vondrona « B » amin’ity fiadiana ny tompondakan’i Eoropa « Ligue des Champions (LDC) 2024 ». Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny Arsenal FC, ekipa Anglisy, sy ny Seville FC, klioba Espaniola. Hotanterahina ao amin’ny kianjan’ny Emirates Angleterre ity fihaonana ity. […]
Rugby – Amboaran’i Madagasikara : hifanintsana ireo ekipa ao amin’ny Top 12
Hiditra amin’ny fanatontosana ny amboaran’i Madagasikara indray ny Malagasy Rugby. Fihaonana hamaranana ny taom-pilalaovana 2023. Hiatrika sy hiady izay hahazo izany ireo ekipa ao anatin’ny “Top 12”. Hivory amin’izay, hanohizana ny fandaharam-potoana eo amin’ny famaranana ny taom-pilalaovana 2023, ny zoma ho avy izao, ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny Malagasy Rugby. […]
Faha -18 taonan’ny FC Copain : hanao fifaninanana hahazoana omby mifahy
Amin’izao faha-18 taonan’ ny ekipan’ny FC Copain izao, hikarakara fifaninanam-pokotany izy ireo. Raha ny fanazavana nataon-dRakotondramiara Hasina, filohan’ity klioba ity, omaly, teny Alarobia. Hotolorana omby mifahy sy amboara ary “maillot” izay tompondaka amin’ity andiany voalohany ity. Ondry kosa ny an’ny faharoa. Ny Airtel Madagascar no hiara-hiasa amin’izy ireo amin’ny fikarakarana […]
International Multi-boxe : nifampizarana ny fandresena
Tontosa tetsy amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny alahady lasa teo, ny “Gala international Multi-boxe”, andiany voalohany. Fifaninanana nokarakarain’ny federation malgache de savate boxe française. Nifampizaran’ny Malagasy sy ry zareo avy atsy amin’ny Nosy rahavavy ny fandresena, teo amin’ny vokatra. Ho an’ny savate boxe, sokajy -63,5 kg, lehilahy, nisongadina ilay renioney, […]