Hiditra amin’ny andro fahefatra anio, ny fifaninanana “World Jiu-Jitsu Championship”, handraisan’i Madagasikara anjara any Abu Dhabi. Malagasy atleta faha-6 amin’ireo mpandray anjara i Zo Aina, izay hiditra an-tsehatra anio. Taorian’i Nofy, i Adriano, i Christian, i Tafita, i Rajo ary i Linjo, anjaran’i Zo Aina indray ny hifaninana ho amin’ny […]
Fanatajahantena
Tenisy – «Mada Junior 2023»: Nanjakan’ny ligin’Analamanga ny fifaninanana
Nifarana ny zoma lasa teo, teny amin’ny kianja “Club Olympique de Tananarive” (COT), Mandrosoa Ivato, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy ho an’ny sokajy “junior 2023”. Nanjakan’ny ligin’Analamanga, ny fifaninanana tamin’ity. Lasan’izy ireo avokoa mantsy ny anaram-boninahitra teo amin’ireo sokajy niadiana ny amboara. Mbola misongadina hatrany anefa ny […]
Kitra – « Ligue des Champions »: hanala vela amin’ny Paris Saint Germain ny AC Milan
Hotanterahina rahampitso ny andro fahefatra, fifanintsanana isam-bondrona, fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra «Ligue des Champions 2024». Anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ ny Paris Saint Germain (PSG), klioba Frantsay, sy ny AC Milan, ekipa Italianina, ao amin’ny sokajy «F». Hotontosaina ao amin’ny kianjan’ny San Siro, Italie, […]
Fivoriamben’ny FIM Afrika: Afa-po tamin’ny fandraisana ny vahiny
Nifarana omaly, tany Nosy Be, ny fivoriambe ara-potoanan’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny Motocyclisme (FIM) Afrika. Afa-po tanteraka tamin’ny fikarakarana sy ny fandraisana nataon’ny Federasiona malagasin’ny Motocyclisme (FMaM) ireo vahiny. Raha ny vaovao voaray, miisa 20 ireo firenena tonga nanatrika ny fivoriana tany an-toerana. Anisan’izany, i Madagasikara, mpampiantrano, i Afrika Atsimo, Zimbabwé, Côte […]
“World Jiu-Jitsu Championship” : tesy teo amin’ny ampahefa- dalana i Nofy
Andro voalohany ho an’ny ekipa malagasy, ao anatin’ny fifaninanana “World Jiu-Jitsu Championship”, tontosaina any Abu Dhabi, ny sabotsy lasa teo. Ny andriambavilanitra, i Nofy, no nisantatra izany, teo amin’ny sokajy Jeunes, vehivavy, tepana maitso. Niady mafy i Nofy saingy nihintsana tamin’ny ady voalohany natrehany, teo amin’ny dingana ampahefa-dalana. Niondrika nanoloana […]