Fanatajahantena

Tsipy kanetibe : tsy manao Mondial i Madagasikara

Ny alarobia lasa teo, nandefa taratasy tany amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahan­tena sy ny tanora (MJS), ny Federasiona iraisam-pirenen’ny taranja tsipy kanetibe (FIPJP). Voambara tao anatin’ity taratasy ity fa tsy afaka miatrika ny “Mondial”, izay hatao any Bangkok, ny 22-27 novambra ho avy izao, ireo sokajy lehilahy “Junior” sy vehivavy “senior” malagasy. […]

Kitra – « Mondial 2026 »: tafaverina anatin’ny lisitry ny Barea i Njiva

Nivoaka ny alarobia lasa teo, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny lisitr’ireo Malagasy mpilalao handrafitra ny Barea de Madagascar. Miisa 28 mirahalahy izy ireo, raha toa ka enina amin’ireo ihany no avy eto an-toerana. Tafaverina anatin’ny lisitra nataon’ny mpanazatra ny Barea, Rakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô, […]

Lomano -Tendrinavalona Idealy : manomboka miditra amin’ny matihanina

Misitraka vatsim-pianarana avy amin’ny “World Aquatics” any Thaïlande, amin’izao fotoana izao, ny Malagasy mpilomano, i Tendrinavalona Idealy. Nisy ny resadresaka nifanaovana taminy. *Gazety Taratra: Afaka hazavainao ve ilay vatsim-pianarana azonao? – Tendrinavalona Idealy: Ilay vatsim-pianarana omen’ny “world aquactics” isan-taona ho an’ny atleta izay mendrika ao amin’ny firenena iray. Mifandimby ny […]

“Webcup 2023”: ny Malagasy, Angry Geek, no nahazo ny fandresena

Teto Antananarivo no nampiantrano ny lalao famaranana isam-paritra amin’ny fampivoarana ny tranonkala “24h by webcup”. Mpandresy tamin’ny fifaninanana tamin’ity taona ity ny ekipa malagasy Angry Geek. Teny amin’ny Ibis Ivandry no nanolorana ny loka, nanomboka ny 28 ka hatramin’ny 29 oktobra 2023. Ny mpandray anjara teo amin’ny famaranana, nandray ny […]

Motocyclisme : handray ny fivoriana iraisam-pirenena i Nosy Be

Hotanterahina eto Mada­gasikara, amin’ity volana novambra ity ny fivoriambe ara-potoana “Assemblée Gé­nérale (AG)” ny federasiona iraisam-pirenen’ny Motocy­clis­me (FIM) Afrika. Any Nosy Be no toerana nosafidin’ny federasiona malagasin’ny motocyclisme (FMAM) handray izany, manomboka ny 3 hatramin’ny 5 novambra ho avy izao. Miisa 25 ireo firenena ho avy hivory eto an-tanindrazana raha […]