Fiaraha-monina

Fokontany Andranomanalina I…. : lakandrano 800 m nodiovina

Nifarimbona ny mpiasan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Rafitra fikojana ny rano, fahadiovana sy fidiovana (RF2) nanadio lakandrano. Notanterahina teny amin’ny fokontany Andranomanalina I, Andranomanalina Isotry ary Ambalavao Isotry izany, omaly. Lakandrano mirefy 800 m no voadio. Fako, fotaka, diky no nesorina sy nosikirina tamin’izany. Tanjona ny hahafahan’ny rano mikoriana […]

Ny inspektera Ranjaharimalala Raharinoely Sophie : handray anjara amin’ny « FBI National Academy Program »

Hanamafy traikefa any Etazonia ny inspektera Ranjaharimalala Raharinoely Sophie. Hanatsara ny fomba fiasa eo anivon’ny polisim-pirenena eto Madagasikara izy rehefa tafaverina. Voafantina handray anjara amin’ny “FBI National Academy Program” ao Quantico, any Etazonia, ny inspektera Ranjaharimalala Raharinoely Sophie. Toeram-piofanana anisany manan-danja indrindra amin’ny fampiharana ny lalàna ny ao Quantico. Miisa […]

Areti-maso ao Mahajanga : tsy alefa any an-tsekoly ny mpianatra marary

Nanao fanentanana, oma­ly, ny talem-paritry ny Fa­hasalamana ao Boeny, Hoasy Solange, sy ny governoran’ny faritra, Mokhtar Salim, mahakasika ny fihanaky ny areti-maso ao Mahajanga. Nentanina, araka izany, ny ray aman-drenin’ny mpianatra mba tsy handefa ny zanany any an-tsekoly raha tsy efa tena sitrana mba tsy hamindra amin’ny ankizy hafa. Toraka […]

Apipa : mitohy ny fanadiovana lakandrano

Nitondra fanazavana ny talen’ny Apipa momba ny fanadiovana ny lakandrano amin’izao vanim-potoanan’ny fahavaratra izao. Nirotsahana avy hatrany ny eny amin’ny fokontany IIIG Hangar, eny amin’ny charbon Ramanandraibe sy i Sainte Marie kely, izay tena nahitana fakobe niteraka fitohanana. Natao ihany koa ny eny amin’ny Dallot ambanin’ny RN58a. toraka izany, ny […]

Volana janoary: miseho amin’ny endriny maro ny famarinan’olona

Iray volana iadiana amin’ny famarinan’olona ny volana janoary. Miseho amin’ny endrika maro izany. Mitaky ezaka amin’ny ankolafin-kery samihafa ny tolona. Endrika famarinana olona ny fanandevozana an-trano izay mihatra amin’ny mpiasa an-trano tsy afaka miala amin’ny asany, iharan’ny fanararaotana ary zara raha mandray karama na tsy mandray mihitsy aza. Eto Mada­gasikara, […]