Manoloana ny voina mianjady amin’ny vahoakan’i Manakara, noho ny rivodoza Alvaro, nitondra izay voatsirambin’ny tanany ny «Groupe Mamijo Miaraka amin’i Andry Rajoelina» na ny GMMAR. Nisy ny zoma lasa teo, ny asa tagnamaro nataon’ny sampan’ny fikambanana any an-toerana tamin’ny fanadiovana tanàna. «Asa natakalo vary sy menaka no natao. Tokantrano dimapolo […]
Fiaraha-monina
Ambatovy : hanofanana tanora ho «soudeur» matihanina
Fandaharanasa handraisan’olona hiofana arakasa amin’ny lalam-piofanana iray ny “Internship program” atolotry ny orinasa Ambatovy. Tanjona ny famolavolana olona ho tonga teknisianina mahafehy ny fenitra iraisam-pirenena. Natokana ho an’ny mpianatra nahazo diplaoma ny tolotra ka maniry ny ho lasa Soudeur. Telo taona ny faharetan’ny fiofanana ho an’ireo voafidy : fampitana ny […]
Fanadiovana lakandrano : hanaovana asa tanamaro any Morombe
Nanomboka ny alakamisy teo, tao Morombe, ny fanadiovana ny tanàna sy ny lakandrano amin’ny alalan’ny asa tanamaro. Nalana ireo manentsina sy mananosarotra ny fivoahan’ny rano mihandrona noho ny rotsakoram-be. Nahatratra 167mm ny refin’ny orana nirotsaka tao anatin’ny 24 ora. Olona 75 no ahetsika mandritra ny dimy andro hanao ny asa […]
Fahasahiranana: betsaka ny tokantrano mivaro-pananana
Samy manana ny fomba hiatrehina ny volana janoary ny isan-tokantrano taorian’ny fety. Tsy vitsy ireo mivarotra ny fananana, havadika ho sakafo. Rehefa volana janoary tahaka izao, betsaka ny tokantrano mivarotra ny entana tsy ilaina intsony na koa tsy ampiasaina matetika havadika ho vola hividianana sakafo. Santionany amin’ireny ny fanaka, ny […]
Takaitran’i Alvaro : niakatra ho 26 075 ny traboina
Nitombo ho 26 075 ny olona traboina avy amin’ny tokantrano 5 979 ary 9 916 no voatery nafindra toerana (2 108 tokantrano) eny amin’ny toeram-pandraisana 36, ho an’ny faritra dimy voakasiky ny takaitra navelan’ny rivodoza Alvaro. Tsy nisy ny olona tsy hita popoka ary nijanona ho 10 ireo maty. Niakatra ho 5 072 ny […]