Fiaraha-monina

NIHINANA trondro am-bifotsy : fito mianaka marary naiditra hopitaly

Anisan’ny sakafo nampidi-doza ho an’ny fianakaviana iray manontolo ny fihinanana trondrokely am-bifotsy. Efa nahiditra hopitaly any Tanamakoa-Toamasina kosa izy ireo. Fito mianaka be izao tsy maintsy naiditra hopitaly ao amin’ny toeram-pitsaboana tsy miankina iray ao Tana­makoa-Toamasina. Narary vokatry ny fihinanana trondrokely am-bifotsy, “sardine”, izay nampifangaroana tamin’ny paty makaronia, ny andron’ny […]

MFM : “Ho mafy ny toe-draharaham-pirenena”

“Ho mafy ny toe-draharaham-pirenena hisy eto”, hoy ny filoha mpiara-mitantana ny antoko MFM, Randrianirina Jean-Ignace, amin’izao taona vaovao izao. Maneno avokoa ny mpanao politika mpanohitra. Misy koa ny mpanohana fitondrana efa manomboka maneno fa tsy hahazo toerana amin’ny fananganana governemanta. Ny fiarahamonina sivily efa niteny tamin’ny voalohany hoe diovina aloha […]

Mahazengy- RN 7 : hametrahana tetezam-by ka ho tapaka

Manoloana ny mety ho mbola fiakaran’ny rano anatin’ny fotoam-pahavaratra, nanao fanambarana ny minisiteran’ny Asa vaventy, fa tsy maintsy hametraka tetezam-by vonjimaika (pont bailey) eo amin’ny PK 416+300 mandalo ny fokontany Mahazengy ny teknisianina. Ho fisorohana ny loza sy ho fiarovana ny mpampiasa lalana no anton’izany. Nanomboka omaly ny asa. Haharitra […]

Taorian’ny fandalovan’i Alvaro : folo ny olona maty, 25 837 ny tra-boina

Mitombo isan’andro ny isan’ny olona maty sy ireo tra-boina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro. Dibo-drano avokoa ny voly rehetra ao amin’ny distrikan’i Morombe. Folo ny olona namoy ny ainy, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro, efatra any Beroroha, telo Ma­nakara, iray Vohipeno, iray any Manja ary iray hafa any Ikongo. 25 […]