Fiaraha-monina

Lalana nihotsaka Mahazengy: efa misokatra ho an’ny fiara rehetra ny RN7

Nanao ny ezaka rehetra ny minisiteran’ny Asa vaventy, mamerina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena fahafito (RN7). Nandray andraikitra avy hatrany ny minisitry ny Asa vaventy, ny kolonely Andriana­tre­hina Ndriamihaja Livah, nidina any Fianarantsoa raha vao nandre ny fahatapahana. Efa misokatra ho an’ny fiara rehetra ny lalana eo amin’ny PK 416+300, mandalo […]

Takaitran’ny rivodoza Alvaro: dimy ny maty, 16 290 ireo tra-boina amin’ny fianakaviana 4 626

Mavesatra ny vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro. Nisy dimy ny aina nafoy ary nitombo ho 16 290 ireo tra-boina. Faritra dimy no voakasiky ny takaitra teo amin’ny faharavana fotodrafitrasa maro. Dimy no maty vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro. Iray tao amin’ny distrikan’i Beroroha ary telo hafa tao amin’ny distrikan’i Manakara ary […]

Fiatrehana ny taom-baovao : nanampy ireo marefo ny antoko Hiaraka isika

Tsy nanadino ireo tokantrano marefo ny  antoko Hiara­ka isika amin’izao fiatrehana ny taona vaovao izao. Naneho ny fifampitsinjovana ho mariky ny fihavanana sy amin’ny maha antoko maneho firaisan-kina eo amin’ny samy mpiara-belona azy ny mpiara-dia amin’ny Jly Camille Vital. Nisitra­ka asa sosialy avy amin’izy ireo, tamin’ny alalan’ny mpandrindram-paritry ny Hiaraka isika, […]