Araka ny sary azo avy amin’ny zanabolana omaly. Misy taratra andro ratsy mitoetra ao amin’ny morontsirak’i Mozambika. Niseho nanomboka omaly hatramin’ny rahampitso faran’ny taona izany.Tombanana hitondra rotsakorana betsaka manodidina ny 60 hatramin’ny 90 mn/ora any amin’ny ilany afovoany Andrefan’ny Nosy izy io. Ahina, araka izany, ny hahabetsahan’ny rotsakorana. Mbola malefaka […]
Fiaraha-monina
Ankatso: narenina ny fitaovana famatsian-drano
Olana matetika aroson’ny mpianatra eny amin’ny toeram-ponenan’izy ireo, eny Ankatso, ny tsy fahampian’ny rano ampiasaina. Nametraka fotodrafitrasa ny tomponandraikitra ary nasiana fanarenana ny simba taorian’ny andrana natao. Taorian’ny andrana natao, hita fa efa feno tanteraka ny fepetra ahafahana manome rano madio fisotro ho an’ny mpianatra eny Ankatso I sy ny […]
Mpianatra tsy tafody any Fianarantsoa: nahazo tolotra avy amin’ny fikambanana Fizafafi tanora
Nanao asa sosialy ho an’ny mpiray Tanindrazana teto an-toerana ny fikambanan’ny zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa (FIZAFAFI Tanora), omaly. Nisitraka izany ireo mpianatra mianatra eto An-drenivohitra tsy tafody any amin’ny faritany niaviany ka mijanona manao fety eto an-toerana. Tanjon’ny fikambanana ny hampanjaka ny firaisan-kina ao anatin’ny faritanin’ny Fianarantsoa. “Midika fa manome […]
Manodidina ny andro fety: manjaka ny aretin-kibo sy ny fivalanana indrindra ny ankizy
Nanomboka tamin’ny fankalazana ny fetin’ny Noely hatramin’izao. Nahitam-pitomboany ny trangana aretin-kibo sy fivalanana teny anivon’ny toeram-pitsaboana. Noho ny tsy fitandremana eo amin’ny sakafo no anisan’ny antony mahatonga izany, hoy ny mpitsabo. Niha nirongatra ny aretin-kibo sy ny fivalanana eo amin’ny ankizy sy ny olon-dehibe, indrindra amin’ny fotoanan’ny fety toy izao. […]
CSB U Tsihombe: niakatra ny tahan’ny ankizy vita vaksiny
Midadasika satria 110 ny fokontany sahanin-drasazy Razafy Felicia Dianne Louise, ao amin’ny CSB U Tsihombe. Nanova ny tontolon’ny fahasalamam-bahoaka izy satria nahomby ny paikady fanentanana notarihiny niarahana tamin’ireo mpanentana ara-pahasalamana eny anivon’ny fokontany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fahasalamana amin’ny faritra Androy. Mavitrika, mahatoky ary nanatsara ny andraikitra nosahaniny indrindra […]