Fiaraha-monina

Krismasy tao Toamasina: olona fito maty, 201 nandalo fizahana tao amin’ny Hopitalibe

Olona fito namoy ny ainy, raha 201 nandalo fizahana tao amin’ny Hopitalibe Toamasina, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy tao Toamasina. Nahazo vahana ny tsatok’antsy… Niakatra ny tahan’ny olona nandalo fizaham-pahasalamana tao amin’ny sampana vonjitaitra ao amin’ny Hopitalibe Analankinina Toamasina, nandritra ny fetin’ny Krismasy teo. Tao anatin’ny efatr’andro, nahatratra 201 […]

Nanao sasakalina: lasan’ny jiolahy ny vilany feno laoka

Lasan’ny jiolahy ny entana sarobidy rehetra tao amina tokantrano iray eny Anosibe Mandrangobato I, ny alahady alina teo. Lasa nandeha namonjy sasakalina tamina fiangonana iray eny amin’ny manodidina ny fianakaviana tompon-trano ka nanao ny nataony koa ny jiolahy. Tsy vitan’izay fa nalain’ireo olon-dratsy hatramin’ny vilany feno laoka hiatrehana ny fety […]

Fisolokiana: olona  an’arivony lasibatra

Niteraka resabe tamin’ny tambajotran-tserasera sy teny anivon’ny fiarahamonina ny fikatonan’ny tranokalam-pifandrasaina manodim-bola iray, omaly. Roboka tamin’ny fisiana tranokala iray milaza ho mpanodim-bola ny ankamaroan’ny tanora sy ireo maniry ny hampitombo vola vetivety. Mametraka vola anatin’ny tranokala  mpikirakira ny olona iray.  Manana rindrambaiko « logiciel » manokana misahana izany ilay tranokala. Tena nahasarika […]

Ambatovy-Moramanga: niomana amin’ny loza ny BNGRC

Nifanome tanana tamin’ny lehiben’ny distrikan’i Moramanga ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC). Tanjona ny hanatsarana ny fiomanana amin’ny mety ho fisian’ny loza mitranga tampoka sy tsy nahy ateraky ny fitrandrahana ataon’Ambatovy ao an-toerana. Voakasika manokana ireo mipetraka sy ireo manana anton’asa manodidina ny toeram-pitrandrahana […]

Japon: misokatra ny vatsim-pianarana-Mext 2024

 Mahaliana tanora maro ny fianarana any Japon noho ny lentan’ny fahaizana any amin’izany firenena izany. Misokatra hatramin’ny faran’ny volana janoary ny vatsim-pianarana-Mext 2024. Misokatra indray ny vatsim-pianarana Mext 2024, karakarain’ny governemanta japonais. Ho an’ireo mpianatra teny sy kolontsaina japonaise eny amin’ny oniversiten’Antananarivo sy ho an’ireo mpampianatra amin’ny EPP hatramin’ny Lycée. […]