Tontosa ny herinandro lasa teo ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filoha teo alohan’ny Conim (Conseils de l’Ordre national des infirmiers à Madagascar) sy ny filoha vaovao, Andrianarison Jean Aimé Botosera. Hentitra ity filoha vaovao ity, indrindra amin’ireo misandoka ho “infirmiers”, kanefa tsy manaraka fenitra mahakasika izany. Voakasik’izany avokoa, hoy izy, na […]
Fiaraha-monina
Lalam-piofanana teknika: mahasarika tanora maro, mora ahitana asa haingana
Mahasarika tanora maro ny lalam-piofanana teknika eto Madagasikara. Azo lazaina ho toeram-panofanana manampy ny ankizy hahita asa avy hatrany izy io, raha ny fanadihadiana natao. Antony iray mahamaro sy mahatonga ny ankamaroan’ny ankizy sy ny tanora misafidy io lalam-piofanana iray io ny fitsinjovana ny asa hatao. “Efa misy taranja iray […]
Orinasa miaramila ao Moramanga: homen’ny firenena Sinoa fiofanana ireo teknisianina
Laharam-pahamehana amin’ny fampivoarana an’i Madagasikara ny hisian’ny filaminana sy fandriampahalemana maharitra. Tsy mitsahatra mijery ireo fiaraha-miasa marolafy sy paikady mahomby hanatanterahana izany ho tomboantsoan’ny vahoaka ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Tetikasa fampandrosoana maro no efa nosokafana ka anisan’izany ny nanaovan’ny orinasa miaramila iray any Sina fifanekem-piaraha-miasa amin’ny orinasam-pamokaran’ny miaramila ao Moramanga. Tafiditra […]
Fasan’ny karana: avo roa heny ny fiakaran’ny saran-dalàna
Velon-taraina ny ankamaroan’ireo mpandeha noho ny fananararaotana tafahoatra ataon’ny mpitatitra mampitohy an’Antananarivo sy Fianarantsoa manokana, tetsy amin’ny fasan’ny karana, ny faran’ny herinandro teo. Mananika ny 60 000 Ar hatramin’ny 80 000 Ariary ny saran-dalàna takina amin’ireo mpandeha. Manodidina ny 37 000 Ar anefa izany teo aloha. Efa lafo avokoa ny toerana ho an’ireo […]
Krismasy: olona 65 voasambotry ny polisy
Tsy afa-misaraka amin’ny fety toy izao hatrany ny resaka tsy fandriampahalemana. Manoloana izany, manao izay ho afany ny eo anivon’ny fitandroana ny filaminana mba hahafahan’ny vahoaka manao fety am-pilaminana lavitry ny tebiteby amin’ny asan-jiolahy. Nivoaka tao anatin’ny tatitra nomen’ny teo anivon’ny polisim-pirenena nandritra ny fetin’ny Krismasy 2023 fa 2 000 eo […]