Nahazo moto telo avy amin’ny depiote voafidy tao amin’ny distrikan’i Soavinandriana, faritra Itasy, Razaiharimalala Harizaka Fiainantsoa, ireo miaramila miasa ao amin’ny faritra. Ho fiaraha-mientana amin’ny fametrahana fandriampahalemana maharitra ao an-toerana no anton’izao fanomezana moto hiadiana amin’ny asan-dahalo izao, raha ny fanazavan’ity solombavambahoaka ity. Hampiasain’ireo miaramila manefa iraka eny an-kianja ireto […]
Fiaraha-monina
Orange solidarité: nizara fanomezana ho an’ny ankizy marary 1 000
Mbola tafiditra amin’ny hetsika firaisan-kinan’ny orange solidarité, rehefa volana desambra, ny fizarana fanomezana ho an’ny ankizy tsy salama, nandritra ny fanamarihana ny fetin’ny Krismasy, ny faran’ny herinandro teo. Nanomboka ny 21 desambra lasa teo, mpiasan’ny orange manome tanana anatin’ny fikambanana Orange solidarité 100 no nitety ireo sampam-pitsaboana ankizy amin’ny hopitaly […]
Fitantanana ny loza – faritra Atsinanana: nampahafantarina ireo mpiantsehatra
Tontosa ny atrikasa fanavaozana ny drafitra hiatrehana ny hamehana ho an’ny rivodoza sy ny tondradrano tany amin’ny faritra Atsinanana, niarahana tamin’ny mpiara-miombon’antoka CRS sy PAM. Tanjona ny hampihena ny tahan’ireo traboina anatin’ny faritra sy ny fahafehezana ny tranga mety hiseho, indrindra amin’ny fanomanana mialoha, mandritra ary aorian’ny fahatongavan’ny loza. Nanatontosa […]
Miseho amin’ny endrika samihafa: ny kolikoly madinika no tena manjaka sy manakorontana
Miseho amin’ny endriny maro ny trangana kolikoly. Ny kolikoly madinika miseho andavanandro no tena betsaka sy manakorontana ny fiarahamonina. Fampiasana vola na fananana hividianana ny rariny na hanaovana tsindrihazolena ho an’ny mpiara-monina no antsoina hoe kolikoly. Io no namaritan’i Hanitrantenaina Fanoboha, mpitsara, ny atao hoe kolikoly. Misy ny kolikoly manome […]
Ady amin’ny kolikoly: olana ny toe-tsaina sy ny fisian’ny tsy maty manota, hoy i Hanitrantenaina
Nitondra fanazavana mahakasika ny tontolon’ny kolikoly eto Madagasikara i Hanitrantenaina Fanoboha, mpitsara sy mpisehatra amin’ny ady amin’ny kolikoly ary maintimolalin’ny fandaharanasa Yali-RLC Dakar. Olana amin’ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara ny toe-tsaina. Zatra kolikoly ny olona. Io no hevitr’ i Hanitrantenaina Fanoboha, mpitsara sy mpisehatra amin’ny ady amin’ny kolikoly. Tsy dia […]