Fiaraha-monina

Fetin’ny Krismasy: endrika maro ny fankalazana teny amin’ny fiarahamonina

Samy nanana ny endrika nankalazany ny Krismasy ny rehetra. Tao ireo namonjy ny fiangonana ary saika tomefy olona ny tempoly omaly. Ny hafa kosa nitsangantsangana nameno an’Analakely sy ny manodidina, nihanoka ireo karazan-kilalao ho an’ny ankizy hita eny Analakely, araka ny efa nampahafantarin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ny tokantrano sasany nisafidy […]

Lalam-pirenena fahefatra: nohamafisina ny fandriampahalemana

Taorian’ny fanafihana taksiborosy teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, nampitovy tadin-dokanga ho fisorohana ny tsy fandriampahalemana ireo mpisehatra voakasik’izany ka nampahatsiahy ireo lamina napetraka ary namolavola paikady vaovao hampiharina. Anisan’ny nidina ifotony teny amin’ny tobim-piantsonana nasionaly, tao Aranta Mahajanga, ny zandarimariam-pirenena, ny polisim-pirenena, ny minisiteran’ny Fitaterana ary ny antokondraharaha misahana ny fitaterana […]

Jeneraly Ramakavelo Désiré: hamafisina ny fifampiresahana amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka

Olana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka ankehitriny ny tsy fisian’ny fifampiresahana sy ny tsy fifampitokisana. Anisan’ny manova izany ny firoboroboan’ny teknolojia.  “Tsy ny ankizy no maditra fa ny ray aman-dreny no tsy mahay manabe”, hoy ny jeneraly Ramakavelo Désiré, raha nanontaniana. Mitaraina mahakasika izany ny ankamaroan’ny tanora ankehitriny […]

Oniversiten’Antananarivo : nahazo tohana avy amin’ny vondrona Filatex

Notanterahina ny 15 sy 16 desambra 2023, teny amin’ny tranombokin’ny Oniversiten’Anta­na­na­ri­vo Ankatso, ny hetsika fankalazana ny Andron’ny angovo azo havaozina. Nandray anjara tamin’izany ny vondrona Filatex niaraka tamin’ny fikambanan’ny mpianatra manao fikarohana manokana momba ny angovo azo havaozina eo anivon’ny Oniversiten’Anta­na­narivo. Nisy ny fifampidinihana tamin’ireo tomponandraikitra misehatra momba ny angovo. […]

Minisiteran’ny Mponina: 600 ireo mpiasa notolorana fanomezana

Nankasitraka ireo mpiara-miasa aminy nahavita ny asa nifarimbonana nandritra ny taona ny minisitra Soafilira Princia, omaly. Nanomana fanomezana ho an’ireo mpiara-miasa 600 ao amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy ny tenany. Vary 25 kg, menaka, gisa ary karazan-tsakafo iatrehana ny fetin’ny Krismasy sy ny […]