Politika

Fiatrehana fifidianana: nampahatsiahy ireo fepetra ny Ceni

Nampahatsiahy ireo fe­petra ahafahana mifidy ny eo anivon’ny Ceni. «Ilaina ny fananana karatry ny mpifidy ho fanamarinana ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana, indrindra ho an’ireo hitondra fitarainana eny amin’ny fahefana mahefa», hoy ny eo anivon’ity rafitra mikarakara sy manomana ny fifidianana ity. Nanterin’ny Ceni koa fa ireo mpifidy vaovao feno […]

FANTINA sy FINTINA

Nisitraka solosaina ny fitsarana any Ambositra. Natolotra tany an-toerana, ny faran’ny herinandro teo, izany. Voatsiahy fa natao izao ho fanampiana ny fampitaovana ireo mpiasa sy hanatsarana ny kalitaon’ny asa. Eo koa ny fanomezana fahafaham-po ny vahoaka manan-draharaha. Tafiditra amin’ny fanamafisana ny fanjakana tsara tantana izany sy ho fintsinjovana ireo mpiasa. […]

Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana : nisitraka karatany faobe ny faritra Bongolava

Nitohy tany Bongolava indray ny hetsika fizarana karatany faobe, ny faran’ny herinandro teo, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsin­jaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany. Nitarika izany tany an-toerana ny minisitra tomponandraikitra, Andrian­tsito­haina Naina. Notantera­hina tao Tsiroanomandidy ny fizarana izany, ka miisa 6 066 ireo karatany nositrahin’ny mponina. Anisan’ny notolorana izany ny avy […]

Fampielezan-kevitra – Boriborintany I: fikambanana maro manameloka ny herisetra

Namoaka fanambarana, “manameloka ny herisetra nianjady tamin’ny renim-pianakaviana iray ao amin’ny boriborintany voalohany”, ny fikambanana maro manohana ny fitondrana. Kandidà sy mpiara-dia aminy ao amin’io boriborintany io no voalaza fa tompon’antoka tamin’izany. Nanao fanambarana ireo fikambanana maro miara-dia amin’ny fitondrana manoloana ny herisetra nianjady tamin’ny renim-pianakaviana iray, antsoina hoe Sarah […]