“Zavatra hafa izao no mipetraka. Taorian’ny septambra sy oktobra ary novambra nisian’ny “hetsika fotsy” ireny, hafa ny fipetraky ny raharaha. Tsy toy ny taloha intsony izany. Indrindra nohamafisin’ny fanjakan’antoko nanongana ny olom-boafidy izay filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha”. Izay ny fijerin’ny mpamakafaka politika, Raveloson Constant, ny amin’ ny ho fandehan’ny toe-draharaham-pirenena […]
Politika
Fampiharan’ny Ceni ny mangarahara : malalaka ho an’ny kandidà ny lisitry ny mpifidy
Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni, omaly, fa mampihatra hatrany ny mangarahara izy ireo. Tafiditra ao anatin’izany ny momba ny lisitry ny mpifidy. “Misokatra amin’ireo kandidà depiote ny lisitry ny mpifidy, nofaranana ny 15 mey teo”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama. Nambarany fa azo atao ny maka izany saingy tsy maintsy […]
Rajoelina Andry: « Laharam-pahamehana ny famerenana ny tany ho an’ny vahoaka »
Tontosa, omaly, ny fidinana ifotony, tao amin’ny distrikan’ Antanifotsy, faritra Vakinankaratra, nataon’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Fihainoana ny mararin’ny vahoaka, fanatanterahana ireo fanamby napetraka ary fitokanana fotodrafitrasa no nandravaka ny fandaharam-potoanan’ny fitsidihana. Anisan’ izany ny fizarana karatany sy ny fitokanana ny tobim-pahasalamana ao an-toerana. Ao anatin’ny fanambin’ny fitondram-panjakana, mandritra izao […]
Ambatofinandrahana: misehatra amin’ny fampandrosoana ny FMA
Anisan’ny ezaka tanterahin’ ny Fikambanana mandresy ao Ambatofinandrahana (FMA) ny fampandrosoana ny eny ifotony tao anatin’ny tao maro nijoroany. Anisan’izany ny fanomezana rano fisotro ho an’ ireo fokontany any an-toerana. Ny jiro manazava ny tanàna ary koa ny fanohanana eo amin’ny lafiny fahasalamana ireo mponina any amin’ity distrika ity. Ankoatra […]
Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana: hisitraka ny tambin-karamany ny sefo fokontany
Mamaha ny olan’ny mpitantana eny ifotony. Anisan’ny fanahapan-kevitra noraisin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha ny hanomezana ny tambin-karaman’ireo sefo fokontany. Nivoitra tamin’izany fa efa fanao ny fandoavana ny tambin-karaman’ireo sefo fokontany sy ireo lefitra amin’ny alalan’ny “Mobile banking” amin’ny ezaka fanovana ny fomba fitantanana. Mbola maro nefa izy ireo […]