“Olona mijoro ny hoe depiote, manam-pahendrena, manam-pahalalana, manam-pahasahiana: manaja tsara ny hafa, maneho amim-pahamarinana ny zava-drehetra. Ny antsika, lasa mpanara-drenirano, mivoaka miditra eo, mifanaratsy na manakiana fotsiny, na manaraka fotsiny ny baikon’ny antoko politika…”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, amin’ izao fifidianana izao. Mba tsy ny antoko […]
Politika
Mpirakidraharaha fitsarana : tsy misy ambadika politika ny fitakiana
“Eritreretina hatrany hoe politika matoa miteny ny sendikà. Ho anay manokana, tsy resaka politika izao fa tena hoe fanatsarana ny asanay”, hoy ny filohan’ny Sendikàn’ny mpirakidraharaha fitsarana eto Madagasikara (SGM), Randriamaharo Alain Michel, ny amin’ny fanohizan-dry zareo ny fitakiany. Efa an-taona maro ny fangatahana, tsy hialam-bola nefa tsy tanterahina. Izay […]
Andriamanana Nivoarivony : “Tsy tokony hanome fampianaran-diso ny mpomba azy ny mpitarika politika”
Ao anatin’ny fampielezan-kevitra tanteraka amin’ny fifidianana depiote izao… Manao ahoana? Maneho ny fijeriny ny fiarahamonina sivily avy amin’ny Ivon’ny seha-pifidianana efaina (Ise) ivondronan’ny fikambanana maromaro, Andriamanana Nivoarivony. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny hafatra amin’izao fampielezan-kevitra amin’izao? Andriamanana Nivoarivony (-): Mampahatsiahy ny fiarahamonina sivily ny amin’ny fihantsiana na ny famadibadihan-dresaka hitarihana […]
FANTINA sy FINTINA
“Tsy mbola hita soritra hatramin’izao ny fanovana nirintsika. Ny mpitondra no niova fa ny hadisoana sy ny fanao tsy mety miverina hatrany”, hoy Andrianainarivelo Hajo. Nanteriny fa manamarika ny tantara tokoa ny 13 mey. Tsy tokony ho kivy anefa fa antony hanohizana ny ady amin’ny fanovana izany. “Hatsahatrintsika amin’ny 29 […]
Fihoaram-pefy amin’ny fampielezan-kevitra : nentanin’ny Ceni hitoroka ny olon-tsotra
Nambaran’ny mpampakateny eo anivon’ny Ceni, i Soava Andriamarotafika, fa efa maromaro ny fitarainana voaray avy amin’ny kandidà, manoloana ny tsy fanarahan-dalàna hitan’ny sasany amin’izany. “Entanina koa isika olom-pirenena hanao izany raha mahita tsy fanarahan-dalàna sy fihoaram-pefy amin’izao fampielezan-kevitra izao”, hoy izy, teny Alarobia, omaly. Nanteriny fa tsy mbola naka fepetra aloha […]