Namoaka fanambarana tao amin’ny tambajotra ny Tim. Nahitsy ny fanehoan-kevitra ny amin’ny fitakiana ny hamoahana any am-ponja tsy misy fepetra ilay mpanakanto, i Ninie Donia. “Niaro ny tanin’ny vahoaka tao Nosy Be izy. Nefa atao ny fomba rehetra hamotehana ny fiainany”, hoy izy ireo. Notakin’ny Tim ny hisamborana ireo nikasa […]
Politika
Fiombonana: “Mety hiova ny fifandanjan-kery eny Tsimbazaza”
“Mety hisy fiovan-javatra eo anivon’ny Antenimierampirenena amin’izao fivoriana ara-potoana voalohany izao; eny, na tsy mihetsika aza ny fitondram-panjakana”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Retogniane Durlin. Hita ireny depiote miova ankolafy ireny, ary mety misy ny fiforonana fiarahana manohitra ny fitondrana. Hita misy an’izany eny anivon’ny parlemanta. Hangotraka ny zavatra […]
Ady amin’ny kolikoly aty Afrika : nahavita ny fianianany Razafimandimby Tsiry
Nahavita ny fianianany tamin’ny fihaonambe faha-43-n’ny filankevitry ny Vondrona Afrikanina miady amin’ny kolikoly (AU-ABC) ny tonia mpanatanteraka eo anivon’ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI), Razafimandimby Tsiry Harivelo. Natao ny 25 avrily tany Arusha-Tanzania amin’izao fihaonambe hifarana ny 29 avrily izao izany. Mpikambana vaovao voafidy tamin’ny fihaonambe faha-42 ny volana febroary […]
ONG Tolotsoa: “Misy ireo tsy tokony ho kandidà…”
“Ho an’ny mpirotsa-kofidina, rehefa mampindrana fahefana ny tena ny olom-pirenena: lasa mpampiasa izy, satria izy no nanome asa ny tena. Manan-jo hanara-maso ny asan’ny tena izy amin’ny maha mpampindrana fahefana azy”. Io ny fanehoan-kevitry ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olom-pirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat, momba […]
Tolo-dalàna momba ny fifidianana : manantena ny parlemanta ny vondrona Panorama
Naneho ny heviny manoloana ny hiatrehana ny fifidianana ny eo anivon’ny vondrona Panorama. Anisan’izany ny tokony hijerena ny lalàm-pifidianana. «Ho anay, tsy fifidianana aloha no mahamaika fa ahoana no hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara ka eken’ny rehetra? Samy mieritreritra avokoa ireo anivon’ny parlemanta, izay mpanao politika avokoa», hoy ny mpandrindra […]