Nihaona tamin’ny vahoakan’Ambositra, maherin’ny 1 300 any ho any, tao amin’ny Fark Md Josefa, ny mpitarika ny ASS Fivoy, Razafinjoelina Tahiana sy ireo mpanara-dia azy, ny faran’ny herinandro teo. Nivoitra tamin’izany fihaonana sy famelabelaran-kavitra izany ny nangatahan’ny mompera mpitantana ny Radio Maria any Ambositra ny tokony hilatsahany ho kandidà amin’ny […]
Politika
MMM sy ny fifidianana : “Tsy ho afa-bela ny Ceni raha mikiribiby eo…”
Nihaona tamin’ny vahoakan’Ambositra tao amin’ny Saha Mandrosoa, ny antoko Malagasy miara-miainga, ny sabotsy teo. Nitondra fanazavana momba ny raharaham-pirenena sy ny fitsinjaram-pahefana ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo tamin’izany. Anisan’ny nitondran’izy ireo ny heviny ny momba ny fifidianana. Natsinkafona tamin’izany ny fomba fiasan’ny Ceni, amin’ny fanomanana ny fifidianana. Nohitsiny fa betsaka […]
Fanakorontanana fifidianana : mampitandrina ny minisitry ny Fiarovana
“Antso avo no atao amin’ ireo mety manana eritreritra hanakorontana, fa ho hentitra izahay amin’ny fampanjakana fandriampahalemana sy fitandroana filaminana manoloana an’ireo mandika lalàna na manohintohina ny filaminam-bahoaka”, hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotoarijaona Josoa, teny Ivato, afakomaly, tamin’ny fandraisana ny helikoptera natolotry ny filoha Rajoelina ho an’ny […]
CSI – Kolikoly : “Tokony hisy trondro vaventy ho voasazy”
“Mba hisy trondro vaventy voasazy amin’ny fanaovana kolikoly sy fanodinkodinam-bola”, hoy ny filohan’ny Komity ho amin’ny fitandroana ny fahitsiana (CSI), Rabenarivo Sahondra, teny Antaninarenina, afakomaly, tamin’ ny tatitra ny asa vita tamin’ny taon-dasa. Malahelo ry zareo raha nandritra ny dimy taona fe-potoam-piasana iray manontolo lanin’ny Antenimierampirenena, nefa tsy misy na […]
Fanakanana hetsika anaty toerana mifefy: nitory eny amin’ny fitsarana ny eo anivon’ny MMM
Nosakanan’ny lehiben’ny distrikan’i Fandriana ny hetsika nokasaina hatao ao amin’ny toerana voatokana ao Imito, ny zoma lasa teo. Tsy nipetra-potsiny anefa ny eo anivon’ny MMM Amoron’i Mania fa nametraka fitoriana. Hiroso amin’ny dingana lalina kokoa. Nametraka fitoriana eny amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana any Fianarantsoa ny MMM Amoron’i […]