Mby aiza ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana amin’izao? Hatramin’ny fanomanana ny fikarakarana fifidianana… Maneho fijeriny ny filoha lefitra voalohany eo anivon’ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina: “Aleo hajanona ny fifidianana rehefa tsy ampy ny enti-manana.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): 37% amin’izao ny taham-pisoratana anarana amin’ ny lisi-pifidianana. Ho vita amin’ny faran’ny taona […]
Politika
Antenimierandoholona: hiara-kiasa amin’ ny Indianina
“Manana fandaharanasa isika izay napetraky ny filohan’ny Repoblika amin’ny fananganana indostria manerana ny distrika 119 eto Madagasikara. Mifanentana amin’izany tinady izany ny haitao indianina, ary tokony hojerena akaiky izay mba hahazoana miara-miasa amin’ny fanatanterahana izany”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, ny amin’ny fitsidihana ara-pomba fifanajana nataon’ny ambasadaoron’i […]
Minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina: “Aoka tsy hanelezana vaovao diso ny maha “lanceur d’alerte”
Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK), manoloana ireo mpiaro ny zon’olombelona sy ny mpisintona lakolosy. Nohitsin’ny minisitera tamin’izany ny fisian’ireo olona sasany avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, miafina ao ambadiky ny sata maha mpisintona lakolosy “Lanceur d’alerte” azy ireo. “Atao izany mba hanaovana asa fanelezana vaovao diso, ny fanalam-baraka… […]
Mpirakidraharaha: hiverina ny karama tapaka
“Miverina ny karaman’izy ireo, ny volana desambra, satria efa miverina miasa izy ireo”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Rakotozafy François, teny Anosy, omaly momba ny fahatapahana karaman’ireo mpirakidraharaha miisa 56 nanao fitokonana. Voalazan’ny lalàmpanorenana ny zo hanao fitokonana, saingy misy fetrany : rehefa tsy misy asa, tsy misy karama. Nandray […]
Lisi-pifidianana : mpifidy 37,31 % ireo voasoratra anarana
Namoaka ny tatitry ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana tao anatin’ny roa volana ny eo anivon’ny Ceni, omaly tetsy Mahamasina. Teo koa ny fihainoan’izy ireo ny mpisehatra politika. Mahatratra 13 593 000 ny tanjona napetraka ho voasoratra anarana ao amin’ny lisitry ny mpifidy ao anatin’izao fanavaozana tanteraka izao. Miisa 5 071 688 na […]