Herintaona mahery mialoha ny fahataperan’ny fotoam-piasany, mitohy ny fanatanterahan’ny Filoham-pirenena sy ny fitondrana izay tarihiny ny velirano. Any amin’ny faritra Fitovinany izy nitokana fotodrafitrasa sy vatofototra maromaro, nanomboka omaly. Nanomboka omaly, hitohy anio ny fitsidihana ataon’ny Filoham-pirenena Rajoelina Andry ny any amin’ny renivohitry ny faritra Fitovinany, ao Manakara. Anton-diany ny […]
Politika
Antoko Vahoaka miray: “Ampifandanjana ny fahazoana mamory olona”
“Mihetsiketsika avokoa ny antoko politika rehetra, indrindra ny eo anivon’ny fitondram-panjakana. Adidin’ny antoko politika ny mitaiza ny olom-pirenena. Voalazan’ny lalàna izany ka afa-mamory olona”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka miray (Vami), i Gaby Vakiniadiana. Nefa fanararaotam-pahefana ny fahitany ny ataon’ny mpitondra. Fitaovam-panjakana no entina mandehandeha: fiara takelaka mena. Iza […]
Depiote Randrianasolo Nicolas: “Tokony hakarina ny tetibolan’ny zandary”
“Tokony hakarina ny tetibolan’ny zandarimaria”, hoy ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny GJMP, tany Betroka, Randrianasolo Jean-Nicolas, manoloana ny fahalanian’ny Antenimierampirenena tsy nasiam-panitsiana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, taona 2023. Nisy fampanantenana na fanomezana antoka 10 miliara Ar ny volan’ny zandarimaria, taona 2021, nefa tsy azo. Nefa ny tafika sy ny […]
Justice et Paix : mitaky ny fampiharana lalàna
“Iangaviana ny mpanao politika mba samy haneho ny tena fitiavan-tanindrazana, fa tsy hitady tombontsoa manokana na harena na seza na voninahitra”, hoy ny fehinkevitry ny fivorian’ny vaomieran’ny eveka, Justice et Paix eo anivon’ny Ekar, teny Antanimena, ny herinandro teo. Fanasoavam-bahoaka tsy ankanavaka anatin’ny fanarahan-dalàna sy fampiharana ny fahamarinana ny politika […]
Zanak’Isandra miray hina (Kim) : manentana amin’ny fanavaozana ny lisi-pifidianana
Anisany paikady apetraka ho fampandrosoana ny any Isandra ny fidinana ifotony ataon’ireo mpikambana eo anivon’ny fikambanan’ny zanak’ Isandra miray hina (Kim). Anisan’ny nanaovan’izy ireo izany ireo fokontany maro sy kaominina ato anatin’ny distrika. “Natao izany mba hijerena ireo olana hiombonan’ ireo vahoaka. Eo koa ny fanentana ireo vahoaka hiditra ao […]