“Ilaina ny safidy politika sahisahy sy fanapahan-kevitra hentitra raha tena hamaha olana amin’ny tsy fandriampahalemana”, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miasa-miainga, Andrianainarivelo Hajo. Niaiky ny tenany fa eo ny fahasahiranana ara-toekarena tsy ahitam-bahaolana ary anisan’ny mampirongatra ny tsy fandriampahalemana. Anisan’ny tsy mamparisika ny mpandraharaha hampiasa vola sy hamorona asa […]
Politika
Fanavaozana lisi-pifidianana: tonga ny ordinatera 400 hikirakirana antontanisa
Miroso ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy. “400 ny ordinatera tonga, amin’izao ary mbola hisy 200 mahery ho avy ao anatin’ny herinandro. Ny distrika 119 no hanaovana ny fitsinjarana izany, arakaraka ny habetsahan’ny mpifidy”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama A., teny Alarobia, omaly. Natao ho fikirakirana ara-kajy mirindra […]
Fiainana antoko: mandalo fitantanana vonjimaika ny RPSD
Mampita fanilo. Efa samy manomana sy maka bahana amin’ny fifidianana avokoa ireo etamazaoro politika. Nahatsapa rahateo ireo mpitarika fa efa tokony homena sehatra ny tanora nefa ilaina koa ny traikefan’ireo efa zokiny. Anisan’ny efa miroso amin’izany ny eo anivon’ny RPSD. Voatendry ho filoha nasionaly vonjimaika mitantana ny RPSD izao, i […]
Fiatrehana ny 2023: manara-maso ny fanomanana ny fifidianana ny Sadc
Hiditra an-tsehatra indray ? Efa eto amintsika hatramin’ny afakomaly ny iraka manokana eo anivon’ny Filankevitry ny Sadc. Mandray sy mihaino ireo mpisehatra politika sy ny mpitondra izy ireo, amin’izao herintaona mialoha ny fifidianana izao. Anisan’ny anton-dian’ireo iraka ireo ny fanaraha-maso ny fikarakarana sy ny fanomanana ny fifidianana amin’ny taona ho […]
Farimbon-tsendikaly Jirama: “Hatsaraina ny tolotra ho an’ny mpanjifa”
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Farimbon-tsendikaly eo anivon’ny Jirama, ahitana ny Sat/Jir, Semm, Usam, Fisemare, Malaimisaraka, SRMM, Sekrima, TM. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa vonona hanatanteraka ny asany ny mpiasan’ny Jirama. “Ho fanatsarana ny tolotra ho an’ny mpanjifa eo ambany fiahian’ny fitondram-panjakana izany. Tohananay sy ankasitrahanay koa ny ezaka fanarenana ataon’ny […]