Politika

Famahana olana: mitaky ny hiverenana any ifotony ny Hiffim

“Mahatsapa izahay raha izao iainan’ny firenena izao amin’ny maha olom-pirenena, tsy maintsy miverina ifotony isika. Miverina amin’ny maha Malagasy, miainga avy any ifotony: na ny rafitra apetraka, na ny fomba fitantanana amin’ny ankapobeny, na ny fampandrosoana”, hoy ny Hetsika iombonana ho an’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara (Hiffim), Rako­tomalala […]

Mpisolovava ny SGM: “Tsy ara-dalàna ny fanapahana karama”

“Ny manampahefana afa-manapaka ny karaman’ny mpi­karidraharaha dia ny minisiteran’ny Asam-panjakana irery ihany. Tsy tapatapahina toy izao fotsiny ny karama, fa tsy maintsy mandalo filankevitra fifampifehezana”, hoy ny Me Rafidison Eric, teny Anosy, afakomaly, manoloana ny fanapahana karama an’ireo mpirakidraharaha fitsarana miisa 56 noho ny fitokonana na efa nisy aza ny […]

Depiote Andriamampandry Todisoa: “Tsy mitsinjo ny sosialim-bahoaka ny tetibola”

“Tsy manaraka ny laharam-pahamehana amin’ny vahoaka ny tetibolam-panjakana, 2023, ary tsy nanaraka lalàna”, hoy ny depiote Tim, Andriamampandry Todisoa, teny Tsimbazaza, afakomaly. Talohan’ny 30 oktobra teo no tokony ho nizarana izany ho an’ny depiote. Vao dimy andro ny nanomezana izany. Tsy araka ny lalàna izany. Tsy voafehy ny vidim-piainana. Hita […]

Raharaha Ketakandriana- GEL: mitsipaka ny kolikoly ny sehatra iraisam-pirenena

Tohivakana ny fanehoana firaisankina. Namoaka fanambarana avokoa ny avy eto an-toerana sy ny iraisam-pirenena. Anton’izany ny tokony ho niakaran-dRafitison Ketakan­driana teny amin’ny fampanoavana, omaly. Anisan’ny nanao izany ny masoivohon’i Etazonia naneho ny fanohanany ny vahoaka sy ny governemanta ary ny fiarahamonim-pirenena, indrindra eo amin’ny ady amin’ny kolikoly. “Toherinay marindrano kosa […]

Ntsay Christian: “Aoka tsy hizarazara ianareo mpitandro filaminana”

Nosokafana, omaly tao Antsirabe, Vakinankaratra, ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny faritra, andiany fahefatra. Nanokatra izany ny Praiminisitra, Ntsay Christian. Nisy hafatra sy antso nataony tamin’ny famoriana ireo eo anivon’ny OMC. «Ilaina ny fampandehanana ny raharaham-panjakana araka ny tokony ho izy sy ny fanatsarana ny lafiny fandriam-pahalemana… Aoka ny mpitandro ny […]