Nampiaka-peo ireo depote amin’ny fahataran’ny fahatongavan’ny boky be mirakitra ny tetibola 2023 eny Tsimbazaza. Anisan’ny tsy faly ireo avy amin’ny tsy miankina sy ny solombavambahoaka avy amin’ny fanoherana. Nitabataba sy tsy faly. Samy nifampahatsiahy ireo teny an-dapa, omaly fa tsy maintsy ny faran’ny volana oktobra farafahatarany no tonga eny an-tanan’ireo […]
Politika
Depiote Rajoelina Seth: “Kongresy hatao fikaonandoha… ”
“Nandeha ny fikaonandoha nataon’ny Ceni mialoha ny nirosoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy. Nisy koa ny fikaonandoha momba ny fambolena teny amin’ny CCI Ivato, ny momba ny fampianarana… Maro izay efa natao izay. Fikaonandoha inona indray no mbola hatao?” hoy ny depiote voafidy tany Fianarantsoa I, Rajoelina Seth. […]
Anosy, Androy, Atsimo Andrefana…: novahana ny olana amin’ny fanisana mpifidy
Anisany mbola sakana amin’ny fanatanterahana ny asan’ny Ceni ny tsy fisian’ny lalana na koa ny haratsiny amin’ireo distrika maro manerana ny Nosy. Anisan’izany ny any atsimon’ny Nosy. Nitadiavana vahaola anefa izany ary efa mizotra miandalana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Anisan’ny antony naha tara ny fanisana mpifidy tany an-toerana izany, […]
Famonoana mpirakidraharaha: mitaky sazy henjana ny sendikà
“Manameloka tanteraka ny famonoana ny namanay izao izahay, ary manao antso avo amin’ny manampahefana rehetra ao amin’ny minisiteran’ny Fitsarana tsy hamela izao raharaha izao ho vitavita fotsiny. Indrindra tsy hanome fahafahana vonjy maika na iza na iza voarohirohy amin’izao raharaha izao, fa hanome sazy faran’izay henjana mendrika ny olona nahavita […]
Lahatenin’ny praiminisitra tany amin’ny OIF: “Tokony hamoraina ny vidin’ny fitaovana teknolojia”
Nifarana, omaly, ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia (OIF), natao tany Djerba, Tonizia. Anisan’ny nandray anjara fitenenana tamin’ireo lohahevitra samihafa nandritra ny roa andro ny Praiminisitra, Ntsay Christian. Nambarany fa tokony hahitan’ny OIF paikady ny hampihenana ny tsy fitoviana eo amin’ny fampiasana haitao ara-kajy mirindra. “Tokony hapetraka ny rafitra hampihenana ny saran’ny […]