Newsmada https://newsmada.com Tue, 21 Jan 2025 04:59:02 +0000 fr-FR hourly 1 https://wordpress.org/?v=6.7.1 https://newsmada.com/wp-content/uploads/2022/11/favicon.png Newsmada https://newsmada.com 32 32 Fiakaran’ny vidim-piainana: Mihena ny fahefa-mividy sy ny fanjifana ny entana https://newsmada.com/2025/01/21/fiakaranny-vidim-piainana-mihena-ny-fahefa-mividy-sy-ny-fanjifana-ny-entana/ https://newsmada.com/2025/01/21/fiakaranny-vidim-piainana-mihena-ny-fahefa-mividy-sy-ny-fanjifana-ny-entana/#respond Tue, 21 Jan 2025 04:59:02 +0000 https://newsmada.com/?p=116948 Amin’ny ankapobeny, miakatra ny vi­din-javatra rehetra amin’ny tany iray ary mitohy sy ma­haritra. Tam­bin’ izay, mihena ny fahefa-mividy, mihakely na tsy voavidy intsony ny tolotra misy raha oharina amin’ny teo aloha.

Tokony ho voalohany manome aina ny toekarena malagasy ny fambolena sy ny fiompiana atao eto an-toerana. Raha nitombo kely izany ny taona 2023, nampiakatra kely ny harinkarena faobe ho 3,8%, nihena indray izany tamin’ny taon-dasa, noho ny faharatsian’ny andro izay hitohy amin’ity taona 2025 ity. Manaraka izay, ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, nefa ratsy ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, manaraka ny indostria mpanao lamba sy ny serasera eto amintsika. Ny hafa, toy ny fizahantany tsy mankaiza firy, indrindra noho ny fahalafosan’ny saran-dalana. Na izany aza, miverina tsikelikely ihany ny mpizahatany.
Efa lafo ny vidim-piainana tamin’ny taona 2023, niha sa­rotra izany tamin’ny 2024, indrindra noho ny fihenam-bokatra rehetra na ny vidin’ny harena an-kibon’ny tany nihena ny vidiny any ivelany. Tsy ampy ny fampiasam-bola teto an-toerana. 7,9 % monja ny nindram-bola tamin’ny banky, izay tsy nankany amin’ny famokarana ny betsaka.
Nihem-bidy avokoa ireo vokatra lehibe fanondrana, toy ny lavanila, jirofo, nickel sy cobalt; vokatra ratsy amin’ny ankapobeny ny avy any ivelany, satria mora ny hanafarana azy ireny nefa amidy lafo amin’ny mpanjifa eto an-toerana; ny fanitsiana tetibola taona 2024, nanampiana ny vidin’ny angovo; ny trosa nahatratra 55,6 % amin’ny harin-karena faobe (PIB) tamin’ny taona 2023.
Vahaolana, ny taona 2025 hatramin’ny 2026, tokony hisy ny fanavaozana ny fitantanam-bolam-panjakana; tokony hitombo ny fampiasam-bola avy amin’ny tsy miankina, hatsaraina sy hampitomboina ny fotodrafitrasa, hasongadina manokana ny angovo. Tsy tokony ho betsaka intsony ny fatiantoka amin’ny tetibolam-panjakana raha oharina amin’ny harin-karena faobe.

Lafo loatra ny sakafo

Ny hamaritana ny fiakaran’ny vidim-piainana dia avy amin’ny fiakaran’ny vidin-javatra, tsy mifandanja ny tolotra sy ny tinady ary maivana ny sandam-bola. Antony mahatonga izany ny fiantraikan’ny filana fototra, ny fanitsiana ny tetibola, ny zava-misy any ivelany ary ny fahamaivananan’ny sandam-bola.
Voasokajy ho anisan’ny tany mahantra i Madagasikara sy ipetrahan’ny tsy fitoviana be loatra. 80% miaina latsaky ny 1,90 dolara isan’andro, betsaka ny any ambanivohitra.

Miankina amin’ny vidin-tsolika

Araka ny vaovao farany, nidina tamin’ny faran’ny herinandro teo ny vidin-tsolika eny amin’ny mpaninjara eto amintsika (Lasantsy: 5700Ar/L, Ga­zoala : 4760 Ar/L). Tamin’ny volana jolay 2022 no nisy fiakaran’ny vidin-tsolika farany teto Madagasikara (Lasantsy: 5900 Ar/L, Gazoala: 4900 Ar/L).
Feo mandeha matetika na misy aza ny fidiran’ny fanjakana, tombanana fa mety hisondrotra ny vidin-tsolika amin’ity taona 2025 ity. Tsy izay anefa ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Manaraka tsikelikely ny tena vidiny. Antony iray lehibe mampidangana ny vidim-piainana ny vidin-tsolika, ka tsy maintsy ferana. Satria betsaka ny sehatra miankina aminy, ohatra, ny fitaterana. “Efa amin’ny vidiny tsy tena izy io nampiharina tamin’ny 2022 io sady efa roa taona izao tsy nisy fiakarany koa rariny raha zahana amin’izay ny vidiny eny amin’ny mpaninjara”, hoy ny mpaninjara iray.

CREATOR: gd-jpeg v1.0 (using IJG JPEG v62), quality = 85

Fambolena sy fiompiana

Mila fanohanan’ny fanjakana

Araka ny nambaran’ny Instat na Ivontoerana momba ny antontanisa, roa taona nifanesy izay (2023 sy 2024), nitombo ny fiakaran’ny vidim-piainana teto Madagasikara. Isan-taona, raha ny salanisa, 9,9% ny fiakaran’ny vidim-piainana. Tena ahitana izany ny vidin-tsakafo, indrindra ny vary, izay mafy amin’ny tokantrano maro hatramin’izao.
Voalaza fa ny antony voalohany, noho ny fiovan’ny toetr’andro izay maina amin’ny faritra maro fa eo koa ny fanararaotan’ny mpivarotra sasany. Mahakasika vokatra maro, 90 %, nitombo daholo ny vidiny. Tsy afaka amin’izay fisondrotana izay koa ireo entana avy any ivelany.
Vahaolana naroso ny fahafahan’ny ny fanjakana miditra amin’ny fanampiana (subvention) ny vokatry ny fambolena sy fiompiana eto an-toerana ary manara-maso izany. Jerena sy hatsaraina ny lalan’ny famatsiana rehetra sy ny tahiry misy, tsy ambanin-javatra ny fanamboaran-dalana mankany amin’ny kaominina mpamokatra rehetra. Araka ny nambaran’ny Instat, manana andraikitra ny Banky foibe amin’ny fanatsarana ny politika ara-bola eto an-toerana. Toy izany koa ny hetra, hamaivanina ny mahakasika ny filana fototra rehetra (PPN), avahana tsara ny varotra ary ampitomboina ny fampiasam-bola amin’ny angovo, fambolena sy fiompiana, fizahantany, teknolojia vaovao, ny fiarovana ny tontolo iainana …

Nanatontosa : Mathieu R.

]]>
https://newsmada.com/2025/01/21/fiakaranny-vidim-piainana-mihena-ny-fahefa-mividy-sy-ny-fanjifana-ny-entana/feed/ 0
Serasera sy kolontsaina : Ho mpiara-miasa akaiky i Egypta https://newsmada.com/2025/01/21/serasera-sy-kolontsaina-ho-mpiara-miasa-akaiky-i-egypta/ https://newsmada.com/2025/01/21/serasera-sy-kolontsaina-ho-mpiara-miasa-akaiky-i-egypta/#respond Tue, 21 Jan 2025 04:58:01 +0000 https://newsmada.com/?p=116944 Efa nisy ny fiaraha-miasa hatramin’izay, saingy nohama­fisina izany. Tonga nitsidika ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna, omaly, tetsy amin’ny birao fiasany etsy Nanisana, ny masoivohon’i Egypta miasa eto, Rabab Said Abdou Abdelhadi. Niompana tamin’ny lafiny serasera sy ny kolontsaina ny dinika teo amin’ny roa tonta. Anisan’ny nivoaka tamin’izany ny fandefasana mpanao gazety hiatrika fiofanana any Egypta, ka hisy 10 ireo nosafidiana, handeha amin’ity herinandro ity. Eo amin’ny lafiny kolontsaina kosa, hisy ny fampiofanana sy fifampizarana traikefa eo amin’ ny Malagasy sy egyptianina mpanakanto. Hisy mpanakanto avy any Egypta ho avy eto, hanatontosa izay. Anisan’ny nodinihina ihany koa ny lafiny fiarovana sy fitantanana ireo harembakoka eto Madagasikara. Iaraha-mahalala fa anisan’ireo
firenena voalohany maneran-tany manana traikefa amin’ny fitantanana ny vakoka i Egypta, noho ny fananany maro amin’ izany. Hotontosaina tsy ho ela ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana eo amin’ny roa tonta.

Zo ny Aina

]]>
https://newsmada.com/2025/01/21/serasera-sy-kolontsaina-ho-mpiara-miasa-akaiky-i-egypta/feed/ 0
Fiaraha-miasa : Hanampy ny tanora eo amin’ny demokrasia ny UE https://newsmada.com/2025/01/21/fiaraha-miasa-hanampy-ny-tanora-eo-aminny-demokrasia-ny-ue/ https://newsmada.com/2025/01/21/fiaraha-miasa-hanampy-ny-tanora-eo-aminny-demokrasia-ny-ue/#respond Tue, 21 Jan 2025 04:57:50 +0000 https://newsmada.com/?p=116941 Natao sonia tany Toliara, ny herinandro teo, ny fampahafantarana ny paikady iarahan’ny Vondrona eoropeanina sy ny minisiteran’ny Tetibola sy ny toekarena (MEF). Niatrika izany ny masoivohon’ i Alemaina sy i Frantsa ary ny UE. Teo koa ny avy amin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo.

Fandaharanasa hatramin’ ny taona 2027 izany ka mitentina 5 000 miliara Ar. Nivoitra tamin’izany ny fam­pivondronana ny hery mba hahomby ny ho fiantraikany ho an’ireo mpahazo tombontsoa. Anisan’ny mpisehatra amin’ izany ny AFD, GIZ, BEI, DGECHO, KFW.

Hiompanan’ny tetikady ny famatsiam-bola ho an’ny ta­nora amin’ny fanamafisana ny fanabeazana sy ny fanofanana ary ny fahasalamana. Eo koa ny fiainana ara-demokratika sy ny maha olom-pirenena. Ny momba ny tontolo maitso ho fampiroboroboana ny toeka­rena amin’ny alalalan’ny fambolena sy ny ala ary ny jono. Ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary ambanin’ ny tany sy anaty rano miaraka amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Tetikady farany ny angovo azo havaozina, mikendry ny fampitomboana sy fanatsa­rana ny fahazoana herinaratra eny ambanivohitra.

Nitohy tany Mangily Ifaty ny fitsidihan’ireto delgasionina ireto ka ny momba ny angovo azo havaozina vatsian’ny AFD vola sy ny UE no notsidihina tamin’izany. Eo koa ny fijerena ny tetikasa “Fanainga+”. Na­tomboka ny taona 2018 izany ary notanterahin’ny ekipa UE sy ny avy amin’i Monaco.

CMS sy i Synese R.

]]>
https://newsmada.com/2025/01/21/fiaraha-miasa-hanampy-ny-tanora-eo-aminny-demokrasia-ny-ue/feed/ 0
SOMBIM-BAOVAO https://newsmada.com/2025/01/21/sombim-baovao-433/ https://newsmada.com/2025/01/21/sombim-baovao-433/#respond Tue, 21 Jan 2025 04:56:57 +0000 https://newsmada.com/?p=116939 Nanatanteraka fanazarantena sy fiofanana ho an’ny mpanazatra ny eo anivon’ny ligin’Analamangan’ny taranja kung fu, ny faran’ny herinandro teo. Nitarika izany ny Grand Maitre Avoko. Ny faritra Itasy indray no hisitraka ity fanazarantena sy fiofanana ity amin’ny fotoana manaraka. Hotanterahina ny 25 janoary izao kosa ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao, ho an’ny taranja Kung fu.
Ao anatin’ny fifaninanana rezionaly ho an’ny sokajy Jeunes amin’izao ny eo anivon’ny ligin’ Anala­mangan’ny taranja Volley-ball. Fifaninanana tanterahina eny amin’ny kianja Akany Sambatra Itaosy. Lalao teo amin’ny 30 teo no notontosaina ny sabotsy 18 sy alahady 19 janoary lasa teo, mbola hitohy ny faran’ny herinandro izao izany, araka ny fandaharam-potoana.
Niatrika ny lalao voalohany tao amin’ny Paris Fc, sokajy U19, i El Hadary, Malagasy mpilalao baolina kitra, omaly, tany France. Nihaona tamin’ny FC Metz ny tenany sy ity kliobany vaovao ity. Nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny roa tonta, ary 70 minitra ihany ny fe-potoana nomena ity Malagasy lohalaharana ity, tamin’izany. Marihina fa tsy nahatafiditra baolina i El Hadary tamin’io fifanandrinana io.
Mitarika vonjimaika eo amin’ny laharana voalohany ny fiadiana ny ho tompondakan’i Espagne, ny klioba Real Madrid, amin’izao fotoana izao. Manana isa 46 izy ireo, ary manaraka azy ao kosa, ny Atletico Madrid, 44 isa, raha toa ka fahatelo, ny Fc Barcelone, 39 isa.

]]>
https://newsmada.com/2025/01/21/sombim-baovao-433/feed/ 0
“RNS 2025” : Feno 50 taona ny hetsika https://newsmada.com/2025/01/21/rns-2025-feno-50-taona-ny-hetsika/ https://newsmada.com/2025/01/21/rns-2025-feno-50-taona-ny-hetsika/#respond Tue, 21 Jan 2025 04:56:46 +0000 https://newsmada.com/?p=116937 Hotanterahina ao Vichy France, ny fihaonana ara-panatanjahantena sy kolotsaina, ho an’ireo Malagasy mipetraka any Eoropa sy ny manodidina, na Rencontre nationale sportive (RNS 2025). Hatao mandritra ny herinandron’ny paska izany, hanomboka ny 19 ka hatramin’ny 21 avrily ho avy izao.
Hiavaka ny amin’ity satria feno 50 taona ny nanaovana ny hetsika. Araka izany, nambaran’ireo mpikarakara fa atao manetriketrika ny fifankahitana any an-toerana. An­koatra ny fifaninanana ara-panatanjahantena efa mahazatra, hisy koa ny fampirantiana ireo vokatra malagasy, toy ny asa tanana sy ireo sakafo malagasy, ho hita amin’ireo tranoheva mandritra ny hateloana.
Mialoha ny tena fihaonana, efa nisy ny fifaninanana ho an’ny sary famantarana ny “RNS 2025” ka nandrombaka ny fandresena i Mitia Bac­hasse, mpianatra amin’ny Sam­pana tsena sy varotra ary efa mpandray anjara hatrany amin’ny RNS, toy ny fanaovana asa an-tsitrapo amin’ny taranja basikety.
Tsiahivina fa faninefany amin’izao ny tanànan’i Vichy no hampiantrano ny “RNS”. Nanomboka ny taona 2022 ka hatramin’ny 2024, miisa 12 ny taranja hifaninanana amin’ity ka anisan’ny malaza indrindra ny basikety sy ny baolina kitra. Mahatratra hatrany amin’ny 8 000 ireo mpitsidika andrasana amin’ity faha-50 taonan’ny “RNS” 2025 ity.

Tompondaka

]]>
https://newsmada.com/2025/01/21/rns-2025-feno-50-taona-ny-hetsika/feed/ 0