Other News

Niady tamin’ny olon-tiany; Vehivavy mpianatry ny Oniversite nisotro asidra iray litatra

Nitelina asidra efa ho iray litatra, nifamonjen’ny fokonolona sy ny mpitsabo ny vehivavy iray tao Andranomadio parisela 11/44, Toamasina, ny sabotsy 6 jona tamin’ny 9 ora maraina. Nahare olona nitaraina sy nitomany tao amin’ny tokantrano iray ny mpiray vodirindrina ka nijery ny zava-nisy. Vehivavy mbola mpianatra eny anivon’ny Oniversite io nanandrana […]

Ampasapito : Jiolahy dimy voasambotra

Ravan’ny mpitandro filaminana ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana teny Ampasapito, boriborintany fahatelo, ny alin’ny sabotsy 6 jona teo. Dimy lahy nitam-piadiana nikoninkonina hanao fanafihana mitam-piadiana teny amin’ny faritra Gamo. Naharay loharanom-baovao mari-pototra ny polisy eo anivon’ny SCUSI (Sakamainty) ka niroso tamin’ny fitsikilovana teny an-toerana. Sarona tokoa ireo jiolahy, ny alin’io sabosy io […]

Andranomahery-Ankorondrano : Tovolahy namoy ny ainy, nolerana zava-maranitra

Namoy ny ainy rehefa nentin’ny fianakaviany ny tovolahy iray nolerana zava-maranitra, tetsy Andranomahery, fokontany Ankorondrano Andrefana, boriborintany fahatelo, ny alin’ny sabotsy 6 jona teo. Nolerana zava-maranitra teo amin’ny kibony sy teo akaikin’ny faritry feny ny tovolahy iray vao erotrerony tao Andranomahery, afakomaly alina. «Hamonjy fodiana izahay telo mirahalahy. Niraikitra tampoka […]

Havàtsa-Upem – Volan’ny teny malagasy : Hanomboka anio ny Atrikasa 2026 fanoratana

Iray amin’ireo hetsika mampiavaka ny Fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy na ny Havàtsa-Upem ny fanatanterahana atrikasa mifanaraka amin’ny vanim-potoana. Ao anatin’izao «Iray volana anandratana ny teny malagasy» izao, hanatontosa ny «Atrikasa 2026 fanoratana» ity fikambanana zokiny indrindra amin’ny fikoloana ny teny malagasy ity. Hiompana amin’ny famakafakana asa soratra (Essai […]