Hotanterahina ny talata 10 jona ny fanaovan-tsonia ny «Accord de partenariat économique». Fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Vondrona eoropeanina sy ireo Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Tafiditra ao anatin’izany i Madagasikara, Kaomoro, Maorisy ary Seychelles. Tanjona ny hanamafy orina ny fiaraha-miasan’ny roa tonta sy hampandrosoana ny toekaren’ireo Nosy aty amin’ny faritra. Mitentina […]
Other News
Ady amin’ny kolikoly : Mifanome tanana ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina
Vita sonia ny alakamisy teo, teny Ivato, ny fifanaraham-piaraha-miasa stratejika eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fiarahamonim-pirenena, niarahan’ny governemanta sy ny Transparency International. Tanjona ny hiadiana amin’ny kolikoly, hanamafisana ny fitantanana mangarahara eo amin’ny sehatra tsy miankina. “Miantoka ny fisarihana fampiasam-bola sy manatsara ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara ny […]
Fifanakalozam-bola : Tonga eto amintsika ny PayPal
Hita aty Afrika ny tolotra PayPal USD, fomba hifanakalozam-bola (Crypto) eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mahatratra 70 ny tsena efa ahitana azy maneran-tany, amin’ny alalan’ny fampiasana ny sandam-bola dolara. Nambaran’ny tale jeneraly ny PayPal ho an’ny Moyen Orient sy Afrika, Otto William, fa « omenay lanja ny olon-tsotra sy ny orinasa aty […]
MIASA sy PAM : Tantsaha 10 000 misehatra amin’ny fambolena sakafo
Miara-miasa ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA) sy ny Fandaharanasa iraisam-pirenena ara-tsakafo (Pam). Hapetraka ny bankin-tsakafo hanamafisana ny fahaiza-manao momba ny fanjarian-tsakafo. Hampifandraisina ny sehatry ny fambolena sy ny fanjarian-tsakafo. Antony, ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro sady entina hampandrosoana ny tontolo ambanivohitra. Io no anisan’ny nivoitra, nandritra ny […]
FANTINA sy FINTINA
Niainga ho any Libreville, Gabon, omaly, ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël sy ny delegasionina niaraka aminy. Fitsidihana arak’asa no hataon’izy ireo. Anisan’ny lehibe ny fihaonana amin’ny filohan’i Gabon, i Brice Clotaire Oligui Nguema. Eo koa ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa sy ny fifanakalozana ho amin’ny tombontsoa iombonan’ny firenena roa […]







