Iray amin’ireo hetsika lehibe manamarika ny « Iray volan’ny teny malagasy » ny « Hadimiana Sandratra » nosokafana, omaly. Fotoana anomezan-kasina ny kolontsaina malagasy raha ny fandaharam-potoana sy ny hetsika hotanterahina. Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana sy fankalazana ny « Iray volan’ny teny malagasy », nosokafana, omaly, tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy (efitrano Dox), ilay hetsika « Hadimiana Sandratra », […]
Other News
FANTINA sy FINTINA
Nandray anjara tamin’ny filankevitry ny minisitra faha-40, nataon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) tatsy Moroni, Kaomoro, omaly, i Madagasikara. Nisolo tena an’i Madagasikara ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i N’Diaye Alice. Anisan’ny nodinihina tamin’izany ny fiarovana an-dranomasina, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena, ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro ary ny fandriampahalemana ara-tsakafo. Taorian’ny […]
Fanisana mpifidy eny ifotony : “Ny 15 jona hatramin’ny 20 jolay”, hoy ny Ceni
“Ny fotoana tsara ho fantatra, manomboka amin’ny 15 jona ary hifarana ny 20 jolay ho avy izao ny fanendrena ireo mpikambana amin’ny Vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE)”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny fiatrehana ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, ka hanisana mpifidy […]
Manahiran-tsaina
Tsy misy adihevitra fa tena tompon’ny tanàna ry henjana. Na lalàna inona na lalàna inona aloha voahosihosy dia rehefa lazainy hoe mety dia mety. Tsy asiana resabe ny amin’izay fa ny azo ambara dia tena azy ireo ny lakile. Hidiana dia mihidy, avela hiriaria dia miriaria. Tahaka izany ny […]
Minisitry ny Fitsarana : “Tsy mpanao hetraketraka ny fitondrana”
Manao serasera mafy ny minisiteran’ny Fitsarana, ankehitriny, manoloana ny vaovao miely mahakasika ny gadra politika. Misy ny fidinana ifotony sy fanodinana horontsary ataony amin’izany. “Manamafy izahay fa tsy mpanao hetraketraka ny fitondrana misy anay, ary tsy miezaka ny hamono olona ihany koa”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, […]







