Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Divers

    Kojakoja fanorenana: eny amin’ny mpaninjara ny simenitra amidy 29.000 Ar

    Milanja 1.891 taonina ny anjaran’ny faritra Analamanga amin’ireo 35.000 taonina, marika Lucky, nafaran’ny orinasam-panjakana State Procurement of Madagascar (SPM) avy any ivelany. Miisa 13 ny fivarotana mpaninjara eto Antananarivo sy ny manodidina, mivarotra ireo simenitra amidy 29.000 Ar ny iray lasaka ireo. Toerana anisan’ny hivarotana ireo simenitra ireo eny Andravoahangy, 67 Ha, Ivandry, Ivato, Anjomakely, […]

    LFI 2022: “Tsy mandrisika mpampiasa vola ny politikan’ny hetra”, hoy ny Gem

    Sanganehana ny Vondron’ny mpandraharaha eto Madagasikara (Gem) mikasika ny Tetibola 2022, vao nolaniana teny amin’ny parlemanta roa, ny herinandro lasa teo. Nambaran’ny filohany, Rajaona Thierry, fa anisan’ny voalohany nantsoin’ny fanjakana tamin’ity taona 2021 ity ny sehatra tsy miankina ary tonga nanatrika izany foana ny Gem. Isan’ny nodinihina tamin’izany ny andinin-dalàna mikasika ny hetra sy ny […]

    Faritra Androy: kaominina 38 afaka tamin’ny fangerena an-kalamanjana

    Na ianjadian’ny hanoanana sy ny hain-tany aza ny mponina ao amin’ny distrikan’Ambovombe Androy, nitondra fivoarana tamin’ny fahazaran’ny mponina mangery an-kalamanjana ny tetikasan’ny Unicef sy ny minisiteran’ny Rano. Nanova ny fihetsiky ny vahoaka tany an-toerana izany. 10 tapitrisa ny Malagasy mbola mangery an-kalamanjana ary  any amin’ny faritra Androy no mbola mahazo vahana, araka ny fanadihadiana MICS […]

    Fanangonana boky fanabeazana: 29 392 ireo voaray nandritra ny telo herinandro

    29 392 ireo boky voangona nandritra ny telo herinandro nanaovana ny hetsika fanangonana boky hanatsarana ny fanabeazana nokarakarain’ny fitaleavana misahana ny fampiroboroboana ny fampitaovana an-tsekoly . Manampy izany ireo boky angano miisa 13, izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana angano arahin-tsary natokana ho an’ireo ankizy tao amin’ny kilasy T1, T2 ary T3. Nandritra ny fihaonambe manodidina […]

    Orinasa Ambatovy: tohanana mba hahazaka tena ara-pivelomana ireo vehivavy

    Manohana hatrany ny sosialim-bahoaka eny ifotony ny orinasa Ambatovy. Nahazo ny anjarany ny fikambanam-behivavy Kanto ao Ambavaniasy, kaominina ambanivohitr’Ambatovola ao Moramanga. Kojakojan-dakozia toy ny vilany, sotro, koveta, « moulin professionnel », mixeur »… tamin’ireo fanomezana nomen’ny orinasa Ambatovy ity fikambanam-behiavy Kanto ity. Ampiasaina amin’ny fanodinana voankazo sy henam-borona ireo fitaoana ireo. Anisan’ny asa mampidi-bola ho an’ireo vehivavy mpikambana […]

    Loholona Ramanambintana Richard : “Tsy zava-dehibe ny fifanoherana ara-politika”

    “Anisan’ny adidy aman’andraikitray amin’ny maha loholon’i Madagasikara ny tenanay ny manentana ny tsirairay avy fa tsy ny karazana loko politika na ny fifanoherana ara-politika ao anatin’ny fiarahamonina misy antsika no zava-dehibe sy ilain’ny vahoaka, fa ny fahaizantsika mampitovy tadin-dokanga.” hoy ny loholona Ramanambintana Richard, ny amin’ny tontolo politika tamin’ny fihaonany tamin’ireo ben’ny Tanàna eo anivon’ny  […]

    Menabe: voasambotra ireo nahafaty olona

    Tra-tehaky ny zandarimariam-pirenena ao Belo Tsiribihina ireo telo lahy voalaza fa nahafaty olona, ny herinandro lasa teo. Taorian’izay, nanokafana famotorana eny anivon’ny GABG ao Morondava izy ireo. Manoloana ny tsy fandriampahalemana ao an-toerana, nanambara ny komandin’ny zandarimaria ao Morondava fa mitohy ny fanadihadiana momba ireo trangana herisetra tao amin’ny distrikan’i Mahabo sy Belo Tsiribihina ireo. […]

    Fitarainana voarain’ny CUA: maro ireo iharan’ny herisetra sy ny ramatahoran’ny taxi-moto

    Maro ireo olon-tsotra sy mpandraharaha lasibatry ny fampihorohoroana ataon’ireo mpanao taxi-moto tsy ara-dalàna eto Antananarivo Renivohitra tato ho ato. Tsy vitan’ny manendaka izy ireo fa mbola mandrahona ihany koa. Tonga nametraka fitarainana eo anivon’ny CUA sy nijoro vavolombelona ny sasany amin’ireo niharan’izany. Nitaraina ny nahazo azy raha sendra niandry ny vadiny teo amin’ny “Arret bus” […]

    Fanodinkodinam-bola sy kolikoly: minisitra efatra teo aloha hotsarain’ireo depiote

    Any amin’ireo depiote ny baolina momba ireo minisitra efatra teo aloha. Namaly ny fampiantsoan’ny vaomieran’ny Fitsarana avo (HCJ) eny Tsimbazaza ireo minisitra roa teo aloha sady parlemantera, ahina ho voasaringotra amin’ny fanodinkodinam-bola sy kolikoly. Samy tonga teny an-toerana ny vavolombelona sy ny mpisolovava azy ireo ary nohadihadina, nandritra ny ora maromaro, omaly tolakandro. Hoentina eo […]

    Fanafihana tao Toamasina: zanaka polisy vavy voaheloka roa taona an-tranomaizina

    Nomelohin’ny fitsarana ambony Toamasina fanindroany nandritra ny fotoam-pitsarana ady heloka bevava andiany faharoa, ny alatsinainy teo hamita sazy roa taona an-tranomaizina i Olivier sy Ruddy Wasselin, zanaka polisy vavy miasa ao Toamasina. Isan’ireo nanao asan-jiolahy mitam-piadiana nampiaiky ny mpitsara amin’ny famerenan-keloka matetika ry zalahy ireto. Nambaran’ny fampanoavana nandritra fifandaharana fa mbola misy antontan-taratasy miandry an’ity […]

    Miaramila nitifitra, nahafaty tovovavy: asaina mandoa omby, osy, vary ary vola antapitrisa

    Omby miisa valo, osy miisa efatra, vary efatra gony ary vola mitentina 1 450 000Ar. Ireo no nifanarahan’ilay miaramila sy ireo raiamandreny eo amin’ny fokontany Ifotaka, nentina nandaminana ny raharaha. Ilay tranga nahavoatifitra sy nahafatesana tovovavy iray 18 taona, ny herinandro teo. Na teo aza anefa ny fanaovana raharaham-pihavanana, mbola voatazona ao amin’ny zandary ilay miaramila nahavanon-doza. […]

    Tsy nanaiky fifampiraharahana ny orinasa: sazy mihantona enim-bolana ny lehilahy iray nangalatra… sokolà

    Hafa kely ! Sokolà telo fonosana amin’ny vidiny 9 000Ar no tratra tao anatin’ny kitapon’ny lehilahy iray mpiasa ao amina orinasa iray mpanamboatra sokolà. Tsy nanaiky fifampiraharahana hatramin’ny farany ilay teratany vahiny tompon’ny orinasa… Na dia efa niharihary tao anatin’ny tatitra nandritra ny famotorana teny anivon’ny polisim-pirenena aza, mbola nandà ny fiampangana azy ny lehilahy iray mpiasa […]

    230.000 tonnes supplémentaires

    Ces trois dernières années, les surfaces cultivées en matière de riziculture équivalaient à 1.480.000 d’hectares générant une production globale de 4.030.000 de tonnes pour l’ensemble du pays, selon les chiffres livrés hier par le ministre Harifidy Ramilison. La dernière campagne rizicole de cette année a enregistré au minimum 4.261.200 tonnes de riz produits pour une […]

    Circulation: des taxi-motos clandestin dictent leur loi

    Malgré l’interdiction formelle d’exercer dans le territoire de la Commune urbaine d’Antana­na­rivo (CUA), suite à une décision prise au niveau du Conseil communal, les taxi-motos continuent leurs activités de manière clandestine. Ces derniers se postent souvent au niveau des arrêts de bus pour racoler des clients. En fait, ces opérateurs clandestins harcèlent les conducteurs de […]

    FAKAFAKA: fa angaha izy ity foromporonina fahatany e !

    Ny fahadisoana goavana hatramin’izay aza efa tsy fidiny… Izao « ianareo » mbola mamoaka voambolana tsy fanta-pototra sy tsy fanta-piaviana etsy sy eroa. Voambolana peta-toko notakarina avy amin’ny teny frantsay na avy amin’ny fomba fisainana vahiny no ezahinareo hamotehana ny teny malagasy. Efa zatra ny « teny baiko », « latabatra boribory », « varavarana misokatra », « mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra », sns, […]

    Volley-Analamanga: fahombiazana tanteraka ny azon’ny GNVB

    Tontosa ny herinandro lasa teo ny fifaninanana teo anivon’ny ligin’Analamanga, taom-pilalaovana 2021, taranja Volley ball. Nirarakompana ny fandresena ho an’ny GNVB (Gendarmerie Nationale de Volley Ball). Fahombiazana tanteraka, ny vokatra satria fandresena 6 be izao no norombahin’izy ireo, tao anatin’ny lalao miisa 7 natao. Nanomboka amin’ny sokajy Minime hatramin’ny D1 lehilahy no nahazoana ireo vokatra […]

    Fitantanana sy fomba fiasa: maharay tatitra diso ny minisitry ny Fitsarana

                     “Apetrako hatrany ny fahamarinana amin’ny fiaraha-miasa. Mahita ny tenako ary manara-maso ireny tarehimarika amin’ny antontanisa alefa aty amiko ireny. Misy tsy marina ny sasany. Tsoriko amintsika fa manamarina hatrany ireny aho: tsy olona iray fa roa na telo no akako ny antontanisa. Midina ifotony koa mijery ny zava-misy”,  hoy ny minisitry ny Fitsarana, Imbiki […]

    Mpanao vovo: raim-pianakaviana maty tototry ny fasika

    Sahabo ho 12 metatra ambanin’ny fasika vao hita ny vata-mangatsiakan’ilay raim-pianakaviana mpanao vovo. Niasa tao Antsanitia-Mahajanga izy sy ny zanany, afakomaly, izao nidaosin’nyfahafatesana izao ny lehilahy. “ Nanomboka tamin’ny 07 ora maraina ireo mpianaka no niasa. Tamin’ny 09 ora kosa vao niditra tao amin’ilay fasika ilay raim-pianakaviana”, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray.  Nisy vaky ny […]

    Sécurité maternelle et infantile : Société générale renforce son engagement

    La banque Société générale Madagasikara se joint à l’initiative de l’Ordre de Malte-Pavillon Sainte fleur. Les deux entités ont signé une convention de partenariat. Selon les statistiques, le taux de mortalité maternelle et néonatale reste encore élevé à Madagascar, respectivement 478 pour 100.000 naissances vivantes. Et force est de constater que les difficultés d’accès aux […]

    Météo: le temps sera chaud et sec

    La météo annonce un temps généralement chaud et sec dans son bulletin de prévision, jusqu’au 5 décembre. Par conséquent, les températures seront anormalement élevées, surtout sur les 2/3 du Sud du pays et elles resteront quasi-stationnaires ailleurs. On aura ainsi des températures minimales entre 15°C et 26°C et des températures maximales entre 25°C et 39°C. […]

    Infrastructure routière : début des travaux sur la RNT15

    Une grande partie de la Route nationale tertiaire 15 (RNT15) reliant Beroroha à Sakaraha, est en état de dégradation avancée. Les travaux d’urgence visant à traiter les points noirs sur cette route longue de 211 km, ont été lancés la semaine passée. L’équipe du ministère des Travaux publics, menée par le ministre Jerry Hatrefindrazana, a […]

    Fanamarihan’ny SSM: karama tsy mifanaraka amin’ny vidim-piainana

    Tafakatra maherin’ny 30 % ny fiakaran’ny vidim-piainana ankehitriny, raha oharina amin’ny fanondrotan-karama farany tamin’ny 2019 Tsy afa-po, noho izany, amin’ny fanondrotan-karama 11 % hita ao amin’ny tetibolam-panjakana 2022 ny Firaisan’ny sendika eto Madagasikara na ny SSM (Solidarité syndicale de Madagascar). Karaman’ny mpiasam-panjakana ihany izany fa mbola hafa ny an’ny sehatra tsy miankina. Efa teo ny […]

    Analamanga: hitohy ny orana tandrifin-drahona

    Mbola hitohy anio sy rahampitso ny rotsak’orana tandrifin-drahona eto Analamanga na tsy nanomana ny handatsaka orana intsony aloha ny teknisianina eny Ampandrianomby satria efa mando ny atmosfera ka tombanana hampilatsaka ny orana, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra eny amin’ny sampandraharaha famantarana ny toetr’andro, omaly. Ny tapany hariva sy ny alina no tena hiandrasana orana ary mety […]

    Inscae – UQTR: mpiofana 21 nahazo ny MBA Gestion de projet

    Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny CCI Ivato ny mpianatra 21 nahavita fiofanana momba ny fitantanana tetikasa, izay fandaharam-pampianarana miantsehatra amin’ny fampiharana iarahan’ny Institut national des sciences et de l’administration d’entreprises (Inscae) sy ny Université du Quebéc à Trois Rivières (UQTR), Kanada. Notolorana ny mari-pahaizana Master of  business Administration-option Gestion de […]

    1 2 3 780