Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Edito Taratra

    Mailo sy mijery lavitra raha te ho avotra… 

    Mailo sy mijery lavitra raha te ho avotra… 

    Manomboka misy ny filaharana eny amin’ny fivarotam-panafody etsy sy eroa amin’izao firongatry ny valanaretina Covid-19 izao indray. Efa misimisy ihany ny mividy fanafody fampitomboana ny hery fiarovan-tena. Tsy fantatra na tsy ampoizina be ihany izay mety ho fivoaran’ny valanaretina amin’izao andiany fahatelo izao? Aleo miambina sy mitandrina avy hatrany; eny, na misy aza ny tsy […]

    Aza voany ihany aloha no atao izao

    Aza voany ihany aloha no atao izao

    Efa azo lazaina ho milamina izao tontolo izao amin’ny fiatrehana ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19, na Delta, na Omicron? Mbola tena ao anatin’ny ady izao. Rehefa tena dinihina, mbola mafimafy sy sarotsarotra kokoa no ho ny teo aloha aza izany. Nahoana? Efa miditra amin’ny andiany fahadimy na fahenina izao ny firenen-dehibe sasany, firenena […]

    Mba tsy ho faty ny fety…

    Mba tsy ho faty ny fety…

    Na ahoana na ahoana, mbola ao anatin’ny ady izao. Ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19, Delta, Omicron. Tsy fantatra intsony? Tsy hita maso tsinona, tsy fantatra mazava, miovaova endrika be ihany… Amin’izany, tsy misy afa-tsy ny fiarovan-tena no fanafihana tsara indrindra, raha fiteny mandrakariva ny hoe ny fanafihana no fiarovan-tena tsara indrindra amin’ny ady. Mby […]

    Fampandrosoana… tsy mandeha ila

    Fampandrosoana… tsy mandeha ila

    Hopitaly manara-penitra, sekoly manara-penitra, tsena manara-penitra… Inona koa? Izay tratra ny fanorenana fotodrafitrasa etsy sy eroa amin’izao. Tsy misy distrika hadino? Ho hita eo… Ho fampandrosoana avokoa izany. Mitondra inona eo amin’ny fiainam-bahoaka? Na farafaharatsiny fihatsarana fari-piainana ahay na ankolaka na mivantana… Misy famoronana asa, ohatra? Na fanamorana ny vidim-piainana ahay… Inona izay fotodrafitrasa, raha […]

    Mba fitsarana azo itokisana amin’izay…

    Mba fitsarana azo itokisana amin’izay…

    Anisan’ny sehatra telo voalohany nahazoana fitarainana be indrindra amin’ny fanahiana na fisiana kolikoly ny tontolon’ny fitsarana, araka ny tatitry ny Bianco teny anivon’ny Antenimierampirenena farany. Efa misy ny ezaky ny minisiteran’ny Fitsarana amin’ny famarenana ny fahatokisana ny vahoaka ny fitsarana. Mby aiza? Tsy azo odiana tsy hita ary tsy takona afenina, mbola misy hatrany ny […]

    Ny vahoaka aloha…

    Ny vahoaka aloha…

    Nisy ny hetsika nokasain’ireo hoe mpiaro ny zon’ny mpanjifa, fa tsy neken’ny solontenam-panjakana sy ny fitandroana filaminana. Voalaza aza fa tsy entina hanakorontanana na misy aza ny fahasahiranana. Tsy lavina, misy tokoa ny fahasahiranana: tsy takona afenina, tsy azo odian-tsy hita. Eo ny tsy fandriampahalemana efa ho lava, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny fahasahiranana amin’ny famatsian-drano […]

    Zon’olombelona… ady fiady

    Zon’olombelona… ady fiady

    “Ny fanekena ny hasin’ny maha olombelona sy ny zony mitovy ary tsy azo tohintohinina dia anian’ny fototry ny fahafahana, ny rariny ary ny fandriampahalemana eran -tany.” Io no ambaran’ny savaranonando ao amin’ny Fanambarana iraisam-pirenena momba ny Zon’olombelona, tamin’ny 10 desambra 1948. Mby aiza? Iaraha-mahita sy mandre isan’andro amin’ny haino aman-jery mbamin’ny tambajotra-tserasera sosialy, ohatra, fa […]

    Mila miombona amin’ny fahavalo iombonana

    Mila miombona amin’ny fahavalo iombonana

                    Mbola am-perinady izao… Marolafy sy karazana ny ady? Ady amin’ny fahantrana, ady amin’ny tsy fandriampahalemana, ady amin’ny fidangan’ny vidim-piainana, ady amin’ny kolikoly, ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, ady amin’ny fahapotehan’ny tontolo iainana, ady amin’ny valanaretina toy ny Covid-19 amin’izao fotoana izao… Ady inona koa? Ady amin’ny fahalovana toy ny fanodinkodinam-bolam-panjakana, ady amin’ny mpiasam-panjakana matoatoa, ady… Eny, […]

    Tsy fahendrena ny mankahatra loza

    Tsy fahendrena ny mankahatra loza

    Aorian’ny orana ny mety ho fiakaran’ny rano na tsia. Sarotra ny manombana sy mitsara ambony ihany ny toe-draharaha na toe-javatra mbola eo am-pihetsiketsehany na an-dalam-pivoarana. Aorian’ny ady no hahitana sy hahalalana izay mandresy na resy; eny, na izay faharavana sy fahavoazana noho ny ady. Tsy hafa amin’izany ve izao mbola fiatrehana ny ady amin’ny fihanaky […]

    Vahaolana… haingana sy maharitra

    Vahaolana… haingana sy maharitra

    Tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, tsy fahampian’ny rano sy ny ranonorana… Ireo no anisan’ny olana mampikaikaika ny vahoaka ifotony amin’izao. Mila vahaolana haingana sy maharitra. Tsy lavina, tena misy, ohatra, ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana, saingy tsy hita be ihany. Tsy mbola mahazo antoka tanteraka amin’izay alehany sy ataony ny tsirairay: velom-panahiana lava, matahotra. […]

    Tsy vitan’izay tsikera amin’izao… 

    Tsy vitan’izay tsikera amin’izao… 

    Miiba na ambanin’ny zero ny isa azo omena na itsaran’ny solombavambahoaka sasany avy amin’ny mpanohitra ny asan’ny governemanta amin’izao, araka ny filazany azy. Tamin’ny fifanatrehan’ny Antenimierampirenena sy ny governemanta farany teo io. Mba marina? Samy manana ny fijeriny, fa ny itsitokotokoan’ny loha: samy manana ny heviny. Malalaka ny fanehoan-kevitra sy ny fitenenana, na misy aza […]

    Fandriampahalemana… mila marin-toerana

    Fandriampahalemana… mila marin-toerana

    Mihena ny tahan’ny tsy fandriampahalemana amin’izao, raha ny tatitry ny eo anivon’ny fitandroana filaminana. Ny vahoaka ifotony no mahita sy mitsara izay iainany isan’andro. Mba hitohy izay fandriampahalemana izay, fa tsy ho injainjay na tarehimarika fotsiny: mandroso mihemotra na, sanatria, mety hitombo aza ny asan-jiolahy amin’izao fiatrehana ny fetin’ny Krismasy ny faran’ny taona izao. Mampieritreritra, […]

    Mandrimandry… miandriandry fanairana 

    Mandrimandry… miandriandry fanairana 

    Misy ny mandrimandry manana aretina amin’izao? Tsy inona fa ny fanaovan’ny valanaretina Covid-19 tampody fohy, efa mila hirongatra aza amin’ny faritra sasany. Nefa misy ihany ny tsy mahalala? Na tsy maharaka, na tsy miraharaha… Tsy hita hovisavisaina sy hotanisaisaina intsony amin’izany ny tsy fanarahana fepatra sakana ara-pahasalamana eny rehetra eny: an-dalambe, an-tsena, anaty fiara… Tsy […]

    Herisetra…

    Herisetra…

    Tao anatin’ny andro vitsivitsy izay, trangana herisetra telo no nisongadina sy nahatonga resabe. Tany Ihosy, asa na nentin’ny inona ilay “assistant parmementaire”, tsy solombavambahoaka akory, fa mpanampy, irakiraka no asany, kanefa dia nanampatra fahefana. Nahavita nikasi-tanana, namelaka tehamaina manamboninahitra ambony, kaomisera eo anivon’ny polisim-pirenena tany an-toerana. Fahasahiana tsy misy toa izany. Mbola vao “assistant” no […]

    Lalàna… tsy manankery fa tsy ampiharina

    Lalàna… tsy manankery fa tsy ampiharina

    Hatramin’izao, tsy mbola vita tanteraka aloha ny ady amin’ny valanaretina Covid-19. Ahina hihamafy sy hihasarotra izany, raha tsy asiana fitandremana sy fiambenana. Fahavalo tsy hita maso tsinona, miovaova endrika, tsy mifidy olona… Amin’izany, misy ihany ny tsy mahalala na tsy miraharaha. Tsy hita be ihany, ohatra, izay fanajana sy fepetra ara-pahasalamana eny rehetra eny: fanaovana […]

    Mba tsy ho sasatry ny miarina…

    Mba tsy ho sasatry ny miarina…

                     Mbola ny amin’ny fiatrehana ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 ihany ny resaka. Tsy mankaleo ny resaka momba izany, tsy mandreraka, tsy mahakivy. Eny, na inona na inona no efa voalaza na ny tsy voalaza. Tsy azo lavina sy tsy takona afenina, mirongatra ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 any Morondava amin’izao fotoana izao. […]

    Fihavanana… tsy mampihavana

    Fihavanana… tsy mampihavana

    Mampiavaka ny Malagasy maneran-tany ny fihava­nana? Ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM) aza, miady ny hanaovana izany ho vakoka iraisam-pirenena. Hanao ahoana? Mandra-pitrangan’izay hitranga, mila mandini-tena ihany isika Malagasy: hatraiza marina, ohatra, no tena iainana ny hoe fihavanana amin’izao vanim-potoana izao? Na amin’izay tena maha izy azy izay fihavanana izay… Misimisy ihany, ohatra, ny fomba […]

    Mila averina ny fifampitokisana

    Mila averina ny fifampitokisana

    Efa manomboka miantraika mafy ary maharary amin’ny vahoaka eny ifotony amin’izao ny voka-dratsin’ny fidangan’ny vidim-piainana… tsy voafehy? Mila ho tsy voafehy koa mbamin’izay misy sy iainana andavanandro eny anivon’ny fiarahamonina amin’izany. Tsy inona fa ny tsy fandriampahalemana sy tsy filaminana, saika miseho amin’ny endriny samihafa: tsy hita hovisavisaina sy hotanisaina. Manomboka amin’ny fanararaotana afitsoky ny […]

    Aleo misoroka izay azo sorohina

    Aleo misoroka izay azo sorohina

    Tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, haintany. Ireo ny fahasahiranana manjo ny vahoaka amin’izao, vahaolana haingana sy maharitra. Tsy lavina, misy ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana, saingy mby amin’ny hoe tsy ren’izay vazan’aina, sanatria? Na fandio iray siny tsy mahaleo fandoto eran-tandroka… Isaky ny misy trangana tsy fandriampahalemana, ohatra, toy ny hoe tany tsy misy fanjakana ny fijerin’ny […]

    Mahay mamindra amin’izay efa nahalavo

    Mahay mamindra amin’izay efa nahalavo

    Loza iray, loza roa… Efa tsy takona afenina intsony amin’izao ny fihanaky ny valanaretina Covid-19. Faritra maromaro no iparitahan’izany, ary misy ny tranga ao anatin’ny fahasarotana. Mbola mampanontany tena ny sasany ihany amin’izao izay mety ho antony fototra mampirongatra ny aretina. Tsy nampoizina? Nefa tsy misy trangan-javatra kisendrasendra na mandeha ho azy amin’izao, fa misy […]

    Fiakaran’ny vidim-piainana… mampiaka-peo

    Fiakaran’ny vidim-piainana… mampiaka-peo

    Mbola mampikaikaika ny vahoaka amin’izao ny fidangan’ny vidim-piainana: mafy, sarotra… Na eo aza, ohatra, ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’itsy sy iroa: tsy hita be ihany. Tsy mahasehaka ny maro sy ny sehatra rehetra, saika tsy mahafa-po, tsy maharitra. Na izany aza, efa zava-dehibe ny fisian’ny karazana fanampiana sy fanohanana ny lafiny sosialy, ny famerana ny […]

    Fahantrana… anton-javatra sy voka-javatra

    Fahantrana… anton-javatra sy voka-javatra

    Maina ny tany. Mila ho maina mbamin’ny tenda, ny teny… Inona indray no holazaina na hozakaina amin’izao. Efa manomboka manahirana izao ny fahitana rano amin’ny faritra sasany; eny, na izay hosotroina sy hahandroan-kanina aza. Vao mainka izay amin’ny famokarana: fambolena, fiompiana, taozavatra… Hanao ahoana? Mampanahy be ihany izay havoakan’ny ampitso. Tsy olana amin’ny vanim-potoana hoe […]

    Tsy fantatra izay avoakan’ny ampitso

    Tsy fantatra izay avoakan’ny ampitso

    Loza iray, loza roa… Tsy inona fa ny fihanaky ny valana­retina Covid-19 amin’ny faritra sasany indray. Miverina manao tampody fohy izany tato ho ato. Hanao ahoana? Mitady hahazo vahana ny fiparitahany, raha tsy tandremana sy sorohina malaky. Andiany fahatelo? Ilaina ny fanadiha­diana, famoahana sy filazana ny marina. Aleo ifanatrehana isan’andro ho an’ny rehetra ny raha­raha. […]

    Dona kely… mandrava be 

    Dona kely… mandrava be 

    Misy ny hoe mandona tapany hahazoana erany? Hafetsifetsena, fanambakana… Eo amin’ny politika amin’izao, karazana dona kely… mandrava be? Na ahina ho izany… Nahoana? Efa fantatra fa na inona na inona mitranga sy ataon’ny mpitondra, tsy mety amin’ny mpanohitra avokoa amin’ny fitsikerana. Raha tsy manao izany izy ireo no hafahafa fa toa tsy mahay ny asany […]

    Hita izao fa ady tsy vita  

    Hita izao fa ady tsy vita  

    Manao tampody fohy indray ny valanaretina Covid-19 amin’izao? Toy izay miseholany any amin’ny faritra Menabe, faritra Vakinankaratra. Andiany fahatelo? Na efa karazany hafa… Vokatry ny fisokafan’ny sisintanin’i Madagasikara no hoe antony? Raha tsy izany, ny tsy fitandremana na tsy fanajana loatra intsony ireo fepetra sakana tsy hiparitahan’ny valanaretina amin’izay atao sy iainan’ny ankamaroan’ny olona. Na […]