Fifindran-toerana:  hiasa any Pérou ny Mgr Paolo Rocco Gualtieri

Handao tsy ho ela an’i Madagasikara. Voatendry ho « Nonce Apostolique »  any Pérou, ny Mgr Paolo Rocco Gualtieri, araka ny fanendrena sy fifindran-toerana eo anivon’ny Fiketrahana Masina, any Vatikana.

Andraikitra nosahaniny teto amintsika ny fitantanana ny lafiny diplaomasia niahiany ny Nosy Kaomora sy i Seychelles ary ny Nosy Maorisy nanomboka tamin’ny taona 2015. Arsevekan’i Sagone ihany koa izy.

Tsiahivina fa anisan’ny nanomana sy nikarakara ny fandalovan’ny sekreteram-panjakana eo anivon’ny Fiketrahana Masina, ny kardinaly Pietro Parolin teto amintsika ny taona 2017 ny tenany. Tahaka izany koa ny nanomanany ny fitsidihan’ny papa Fransoa ny vola septambra  2019  teto Madagasikara.

Synèse R.

Partager sur: