Songadina

Renivohitra ara-toekarena: Tsy ekena ny fiverenana amin’ny gaboraraka ao Toamasina

Tsy manaiky ny fi­ka­sana hiditra amin’ny tsy ara-dalàna ny ben’ny Tanàna ao Toamasina sy ny mponina. “Misy te hisarika mankany amin’ny gaboraraka ireo tanora maro an’isa any amin’ny renivohitra ara-toekaren’ i Mada­gasikara, taorian’ny fitakiana ara-politika sy sosialy momba ny jiro sy rano, tamin’ny volana septambra lasa teo. To­kony hifarana amin’izay […]

Sakafo ara-pahasalamana : Manana ny lanjany eo amin’ny vatan’olombelona ny manga

Ny manga dia iray amin’ireo voankazo malaza sy tian’ny olona maneran-tany. Noho ny tsirony mamy, ny hanitra manintona ary ny tombontsoa ara-pahasalamana maro ao aminy no anton’izany. Eto Madagasikara, iray amin’ireo voankazo tena maro mpamboly sy be mpihinana ny manga, satria tsy mitaky fikarakarana sarotra, ary manome vokatra be rehefa […]

Fiharian’ny tantsaha ambanivohitra : Tsara ny vokatra saingy nitontongana ny vidiny

Tsy mitsaha-mi­tombo sy mihatsara ny vokatra avy any ambanivohitra. Mitaraina anefa ny ankamaroan’ny tantsaha fa mitontongona ny vidiny amin’izao. Miroborobo ny vokatra lavanila sy jirofo eto Madagasikara, saingy mitontongana ny vidiny ankehitriny, noho ny fidinan’ny lanjan’ireo vokatra ireo eto amintsika. Mbola tsy nisy toy izao teto Madagasikara, hoy ny mpandraharaha […]

Fivarotana jus fary : Asa mahavelona sy mora ahazoana tombony

Manomboka mahazo vahana eto Ma­dagasikara ny se­hatrasa fivarotana ranomboankazo vita amin’ny fary. Maro amin’ireo ta­nora no hita mivarotra izany, indrindra eto Antana­narivo. Mahave­lo­na sady miditra amin’ny sehatry ny fandraharahana kely. Toerana maro ny ahitana mpivarotra izany, toy ny eny Anosibe, Analakely, Anosizato, Behoririka, Isotry sy ny maro hafa. Asa mora […]

Vokatry ny krizy ankehitriny : Zara raha mahalafo ireo mpivarotra ranona voanio

Anisan’ny ankafi­zin’ny Malagasy ny ranona voanio na Coco. Tsy dia maha­lafo izy ireo nandritra ny tolona teo aloha, noho ny savo­rovoro nisy teny amin’iny faritr’i Ma­hamasina iny. Maro ireo olona tazana eto an-dRenivohitra misehatra amin’ny asa fivarotana rano fisotro voanio na Coco, amin’izao fotoana izao. Araka ny fanadihadiana natao, somary […]