Tselatra

TSELATRA

Naratra mafy teo amin’ny lohany ny renim-pianakaviana iray novelesin’ny vadiny tamin’ny fanoto teny Ambohitrarahaba, afakomaly alina. Hasarotam-piaro no nitarika ny adin’izy mivady ka niafara tamin’izao fandratrana izao. Nentin’ny fianakaviany namonjy hopitaly ilay niharam-boina ka avotra soa aman-tsara. Nitsoaka kosa ilay rangahy vadiny. Nosamborin’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ny vehivavy […]

TSELATRA

Mpandeha taksiborosy iray no very sakaosy lehibe teny Fasankarana, omaly maraina. Niainga avy any Manakara izy, afakomaly, ka teo am-pahatongavana vao nahatsikaritra fa tsy hita tao ambony fitoeran’entana ny sakaosiny. Manahy izy fa very nandritra ny fampidinana ny entan’ny mpandeha izany. Nambarany fa misy antontan-taratasy momba ny asany ao anatin’ilay […]

TSELATRA

Vehivavy 29 taona maty notsatohan’ny sakaizany antsy tao Androro, Vohemar, omaly. Hasarotam-piaro no nitarika ny disadisa. Niafara tamin’ny fampiasan-drangahy zava-maranitra anefa izany. Nitsoaka ilay nahavanon-doza taorian’ny habibiana. Dahalo efa-dahy lavon’ny zandary tao Betroka, afakomaly. Nangalatra omby maherin’ny 30 ireo dahalo ireo ka nifanenjehan’ny mpitandro filaminana. Nifane­hatra tao amin’ny kizo Ampimoty […]

TSELATRA

Nosamborin’ny polisy ny mpamily sy ny resevera iray, omaly, teny Ankaraobato. Mamo teo am-pitondrana fiara fitateram-bahoaka izy ireo. Mpandeha iray no nilaza tamin’ny polisy fa mamo ny mpamily sy ny resevera ka ahina hampidi-doza ny fiara entin’izy ireo. Nametraka sakana ny polisy ka noraisim-potsiny izy ireo, teo Ankaraobato . Nifanehatra […]

TSELATRA

Efa-dahy nosamborin’ny polisy noho ny fidorohana sy famarotana héroïne tao Fiofio, Mahajanga, omaly. Nidina ifotony ny polisy taorian’ny nahazoan’izy ireo loharanom-baovao. Tratra teo am-pitsindromana sady nikirakira io zava-mahadomelina mahery vaika io izy efatra mirahalahy ireo. Nambanan’ny roa lahy antsy, lehilahy iray voaroba teny amin’ny lalamby Ampefiloha, ny alahady atoandro teo. […]