Ankoatra izay, lehilahy iray 60 taona, nitondra moto routière, no maty tsy tra-drano, voahitsaky ny kamiao tetsy Anosizato Andrefana, afakomaly hariva, tokony ho tamin’ ny 6 ora hariva tany ho any. Niseho teo amin’ny arabe tsy lavitry ny fiantsonana taksiborosy Manalalondo ny loza. Raha ny fanazavana voaray teny an-toerana, nisongona […]
Tranga
Vaky trano : Jiolahy raindahiny maty voatifitra
Mitohy hatrany ny fanenjehana sy fandravan’ny polisim-pirenena ireo olon-dratsy. Jiolahy raindahiny iray no maty voatifitr’izy ireo, ny sabotsy 17 oktobra 2026 lasa teo, tokony ho tamin’ny 2 ora maraina tany ho any. Raha ny fanazavana voaray, Lehilahy maromaro no tratra teo am-pamakiana trano teny akaikin’ny EPP Sahavola, any Fenoarivo Atsinanana. […]
Lozam-pifamoivoizana teto an-dRenivohitra : Olona telo namoy ny ainy, ny sabotsy teo
Ny sabotsy teo, olona telo namoy ny ainy, vokatry ny lozam-pifamoivoizana teto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Maty voahitsaky ny kamiao ny mpitondra moto iray tetsy Anosizato Andrefana. Maty tery tao anaty fiara izay nifandona tetsy Ankadindramamy, ny roa hafa. Mateti-piseho ny trangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona tato ho ato. Lehilahy sy […]
Namontana-Anosibe : Mpanendaka 19 lahy voasambotry ny UIR
Saron’ny polisy teo am-pidorohana sy teo am-pamarotana zava-mahadomelina ny andian-dehilahy am-polony tao amin’ny fokontany Namontana, omaly. Naharay loharanom-baovao marim-pototra ny polisin’ny UIR fa misy lehilahy maromaro mivorivory anatin’ny toerana somary malomaloka ao amin’io fokontany io. Nidina ifotony nanao fisafoana teny ny polisy. Nanatanteraka paikady manokana tsy ahafahan’ireo ahina ho mpiray […]
Fandaminana ataon’ny kaominina: Nitokona ny mpivarotra teny Mahazoarivo
Nidina an-dalambe, sy nandoro kodiarana ireo mpivarotra amoron-dalana, tetsy Ambohimihandra mihazo ny lalana mankany Mahazoarivo, omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany tany ho any. Naneho ny tsy fankasitrahany ny fandaminana napetraky ny kaominina Antananarivo Renivohitra ireo mpivarotra ireo, ka niroso tamin’izao hetsika izao. Nambaran’ireo mpivarotra fa nisy […]





