Raim-pianakaviana roa samy hafa nisy nanatitra tao amin’ny Hopitaly Be Toamasina, omaly. Nisy nahita tao Ambalakisoa, ny tolakandron’ny alahady 30 aogositra lasa teo, ny lehilahy iray. Nahina mafy ny aina ka nentin’ny tsara sitrapo nihazo ny toeram-pitsaboana eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny vonjy taitra ao amin’ny Hopitaly Be izy. Nitsabo […]
Tranga
Jly Ravalomanana Richard: hiakatra fitsarana anio raha tsy misy ny fiovana
Fito volana taorian’ny nampidirana am-ponja vonjimaika ny Jly Ravalomanana Richard, teny amin’ny fonjan’ Imerintsiatosika, hiakatra fitsarana ao amin’ny ady heloka bevava Anosy, anio, ny tenany, raha tsy hisy ny fiovana. Maro ny vesatra hanenjehana azy, raha ny angom-baovao. Anisan’izany ny ny fanohintohinana ny fiandrianam-panjakana, firaisana tsikombakomba tamin’ny heloka bevava samihafa, […]
Navadiky ny lakana: mpandeha miisa efatra niara-maty an-drano
Namoy ny ainy tamin’ny lozam-pitaterana an-dranomamy ny olona efatra, tamin’ny faran’ny herinandro, tany Alaotra. Zaza telo taona ny iray. Hita omaly ny vehivavy iray anisan’ireo olona efatra namoy ny ainy taorian’ny fivadihan’ny lakana iray tao amin’ny ranon’Alaotra, distrikan’Ambatondrazaka, faritra Alaotra Mangoro. Namoizaina ain’olona miisa efatra io loza niseho ny sabotsy […]
Voaroba ny 2 tapitrisa Ariary: renim-pianakaviana namoy ny ainy
Notafihin’ny olon-dratsy ny tokantranona mpanao biriky iray teny amin’ny fokontany Mahitsy, kaominina ambanivohitr’ Alasora, ny alin’ny zoma 28 aogositra 2026 hifoha afakomaly. Vao nahalafo biriky ireo mpivady tao amin’io tokantrano io ka notongavan’ny jiolahy. Niditra an-keriny tao an-trano ireo olon-dratsy, nitaky ny vola rehetra tao an-trano. Mbola notsindrominy tamin’ny antsy […]
Nariana teo amoron-drano: lehilahy iray hita faty nalana taova
Mitohy hatrany ny fahitana fatin’olona alana taova. Omaly maraina, lehilahy iray tokony ho 22 taona no hita faty tany amin’ny 50 metatra miala ny tanàna, ao amin’ny fokontany Ambatoharanana, kaominina sy distrikan’Ikongo. Niboridana tanteraka ny razana ary nivalampatra sy niankohoka teo amoron’ny lakandrano akaikin’ny kirihitr’ala iray. Tovolahy iray handeha hiasa […]




