Indraimbava

Ny olona no olana

Lasa adihevitra sy mahabe resaka ny sasany eo amin’ny tontolo politika, amin’izao, ny filazan’ny eo an­von’ny Ceni: zara raha misy 10% ny fandraisana anja­ran’ny antoko politika lehibe sy fiarahamonina sivily amin’ny fanentanana sy fanabeazana olom-pirenena hisoratra anarana amin’ny lisitry ny mpifidy. Nefa fanavaozana manontolo no atao. Nefa ireo karazana izany […]

Fantina sy fintina

Ratovomalala Mamy Roger no voatendry ho ambasadaoron’i Madagasikara any Royame-Uni, Grande-Bretange, araka ny filankevitry ny minisitra notarihin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny faran’ny herinandro teo. Anjaran’ny Ceni ny mampiseho ny fahaiza-manaony amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, araka ny fanehoan-kevitry ny filoha […]

Fanao politika

Tsy mitsahatra ny fitakiana etsy sy eroa ny tokony handravana ny Antenimierampirenena. Misy mitompo teny fantatra fa tsy maintsy ravana, hono. Izay hisy fahamarinan-toerana na filaminana politika, fitoniana politika… Tsy manana foto-kevitra na ideolojia mazava sy iainana itondrana ny raharaham-pirenena araka izay tandrify azy sy anjarany amin’ny maha solontenam-bahoaka azy […]

Mifankahazo resaka

  Mpifankatia tsy mifamarafara, ady no farany. Vao mainka ny amin’ny raharaham-pirenena amin’izao hoe fanovana na fanavaozana izao… Mahasaro-piaro fa samy tompony, samy manana andraikitra fa tsy misy ailika na mihalangalana, ady fiady fa tsy tokony hiverina intsony ny krizy politika tsy mahafa-bela izay ela izay… Amin’izany, mila mifankahazo ny […]

Fanovana no atao

  Anisan’ny notakina tamin’ny hetsi-bahoaka, tamin’ny taon-dasa, ny fanamaivanana ny vidim-piainana na ny famoronana asa. Mby aiza? Efa ho herintaona sahady izao…Hatramin’izao, tsy hita mazava aloha izay fanovana na fanavaozana. Ny isan-tokantrano no samy manao izay hiatrehana izay vidim-piainana izay, indrindra amin’ny fanomanana ny fidiran’ny mpianatra sy ny fidirana amin’ […]