Indraimbava

Tsy hananam-piry ny aina

  Olam-piarahamonina iray, mampikaikaika ny maro ny mahakasika ny fahasalamana. Tsy zakan’ny tsena, ara-bakiteny, ny saram-pitsaboana sy ny vidim-panafody. Aza marary ihany! Fa rehefa tsy manam-bola dia ny aina no manefa. Tsy misy fitsetserana sy fihantrana izany raha mbola toeram-pitsaboana. Na miankina, na tsy miankina amin’ny fanjakana dia vola ihany […]

Aza fatra-pitsetsitra loatra!

  Mandeha ny asa! Mitohy ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony, mandeha ny fidinana ifotony tarihin’ny filohan’ny Repoblika. Manao ranolava ny fahatongavan’ ny vahiny, manasonia fifanaraham-piaraha-miasa. Mandeha tsikelikely eny ny zava-drehetra! Tsy natao hampilavo lefona rahateo ny sedra maro isan-karazany, izay lalovan’ilay firenena sy ny vahoaka ao aminy. Iarahan’ny rehetra mizaka ny […]

Tsy ho tratry ny tampoka

  Mbola vaovao mafana, mitazona ny sain’ny maro ny mahakasika ny fifidianana ho avy izao. Efa any anatin’ny fanomanana sy ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana ny kandidà sy ny mpanohana azy. Manao izay ho afany avokoa. Ankoatra ny mamim-bahoaka, ny vola rahateo samy manana. Matoa nahasahy nandoa ny anto-bola 20 […]

Fanahy fa tsy hery

  Olana iray goavana mbola sedrain’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny fifehezana ny tsy fandriampahalemana. Efa azo tsapain-tanana ny ezaka vita eny an-kianja saingy mbola lavitra ny fanamby. Efa maro ny dinidinika nizahana vahaolana momba izany. Betsaka ny fehin-kevitra nivoaka. Asa sy fampiharana sisa andrasana. Maromaro ny hetsika manokana fampandrian-tany natao izay. […]

Manadio dia manokatra!

  Nanaitra ny mpanara-baovao ny tsindrom-paingotra nataon’ny tompom-pahefana tamin’ny governora iray ny faran’ny herinandro lasa teo. Olona nomeny fitokisana sy tsy azo nohozongozonina mihitsy. Firifiry ny fitarainana nataon’ ny mponina tany an-toerana sy ny mpanao politika saingy, tsy nandairan’izany izy. Mafy rahateo ny hazondamosina niaro azy, araka ny feo niely. […]