Nosamborina ny vehivavy iray mpandraharaha ny fonja, ny 13 oktobra teo ary naiditra vonjimaika am-ponja. Voarohirohy nanamora ny fifandraisan’ireo voafonja tamin’ny trafika sokatra sy ireo olona ao anatin’ny tambajotra mbola eny ivelan’ny fonja izy. Tsiahivina fa vehivavy nisandoka ho polisy iray no tratra ny 10 avrily 2026, voarohirohy tamin’ny raharaha […]
Toe-karena
Toamasina : Hiampy 1,8 MW ny famatsiana herinaratra
Nanafatra gropy mamokatra herinaratra miisa 10 ny orinasa Enelec, hiantohana ny famokarana herinaratra ao an-tampon-tanànan’i Toamasina. Manana tanjaka 350 kVA tsirairay avy ireo. Efa tonga ao an-toerana, ny 17 oktobra teo, ny milina miisa 7. Raha vao vita ny fametrahana ny lafiny teknika rehetra, hanomboka hiasa avy hatrany, rahampitso 20 […]
Banky iraisam-pirenena : Hafainganina ny fisitrahana jiro sy rano
Nihaona tamin’ny ny solontenan’ny Vondrona afrika II eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena (BM), tany Bangkok- Thailandy, ny delegasiona malagasy, notarihin’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanambola, Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé, ny herinandro lasa teo. Fantatra fa ho hafainganina ny fanatanterahana ireo tetikasa efa misy famatsiam-bola mba hahitan’ny vahoaka vokatra mivaingana. Hatao […]
Ampasindava : Hamokatra terre rare 4 000 t isan-taona ny Harena Rare Earths
Nankatoavin’ny fanjakana ny fahazoan-dalan’ny orinasa amerikanina Harena Rare Earths. Hitrandraka ny harena an-kibon’ny tany, Oxyde de terre rare, any Ampasindava, hanomboka amin’ny taona 2028 izy io. Tohin’ny fanaovan-tsonia ny bokin’andraikitra tamin’ny volana aogositra 2026 teo, nambaran’ny orinasa amerikanina Harena Rare Earths (HRE), ny 12 oktobra teo, fa nankatoavin’ny fanjakana malagasy […]
VAOVAO TAMBATRA
Hafainganina ny famerenana ny famatsiana herinaratra ao Anosibe an’Ala. Nigadona any an-toerana, omaly, ny ekipan’ny Jirama hanao ny asa rehetra mahakasika izany. Tsiahivina fa may nandritra ny haintrano nitranga tao amin’ny fokontany Ambaniandrano Ambany ny vata mpanova herinaratra manana tanjaka 100 KVA. Ity farany izay miantoka ny 70% ny famatsiana […]





