Toe-karena

Minisitry ny Varotra: “Miainga avy eny ifotony ny fampandrosoana”

Fanatsarana ny lalana. Nivoitra izany nandritra ny dinika niarahan’ny minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, Andrima­dison Haingotiana, tamin’ireo ben’ny Tanàna ao amin’ny Faritra Vakinankaratra, tao Antanimasaka, ny sabotsy teo. Tafiditra ao anatin’izany ireo kaominina 19, ao amin’ny distrikan’­ Ambatolampy. Samy nilaza ny hetahetany avy ireo ben’ ny Tanàna, saingy niraisan’ny […]

Tranombarotra Cosmos: mpanjifa 66 nahazo loka tamin’ny Tombola

Natao ny sabotsy 29 aogositra teo ny fanolorana ny loka ho an’ireo mpanjifa tsara vintana nandray anjara tamin’ny Tombola nokarakarain’ny tranombarotra Cosmos. Nanom­boka tamin’ny 8 jona hatra­min’ny 19 jolay ny fandraisana anjara ho an’izay nividy entana tao amin’ny tranombarotra Cosmos miisa 22 manerana ny Nosy, ka eto Antananarivo ny 9 […]

LFI 2027: laharam-pahamehana ny fotodrafitrasa ara-toekarena

Natao omaly, teto Antananarivo, ny Fikaonandoham-paritra ho an’ny tetibola 2027, ho an’ny faritra Analamanga. Amin’ny ankapobeny, hatao laharam-pahamehana ny fanavaozana sy ny fananganana fotodrafitrasa ara-toekarena. Tanterahina manerana ny faritra 24 ny Fikaonan­doham-paritra ho an’ny tetibola 2027 mba handrai­sana ny filàn’ny mponina eny ifotony amin’ny fampandrosoana. Ho an’ny faritra Anala­manga, nojerena […]

Taolagnaro: miato vonjimaika ny famokaran’ny QMM

Nampiato ny asa ao amin’ny toeram-pitrandrahana ao Mandena, Taolagnaro ny QIT Madagascar Minerals (QMM) noho ny fisian’ireo sakan-dalana eo amin’ny fidirana mankany amin’ny toeram-piasana. Tranga niseho tao anatin’ny telo herinandro. Niteraka fahatapahan’ny fidiran’ireo mpiasa, mpi­ara-miasa ary mpiantok’asa ao amin’ny toeram-pitrandrahana ireo sakan-dalana ireo. Vokany, najanona ny asa fitrandrahana raha mitohy […]

Famonoana afo: nahazo fanamiana fiarovana ny MNP

Natolotra ny Madagascar National Parks (MNP) tamin’ny fomba ofisialy, ny 28 aogositra teo ireo fanamiana sy kojakoja manokana (EPI) ilaina amin’ny famonoana afo. Nahatanterahana izany ny fiaraha-miasa tamin’ny fikambanana Baroudeur Massilia Pompier du Monde, any Fran­tsa. Nasongadin’ny talen’ny Faritra arovana sy ny harena voajanahary (DAPRNE), Ramatoa Ratefason Tojotsa­ra, ao amin’ny […]