Hiatrika ny fiadiana ny ho Tompondaka maneran-tany amin’ny taranja karate, ny 14 -18 oktobra ho avy izao, any Pologne, sokajy lahy sy vavy, ireo Malagasy mpikatroka efatra mianadahy, i Ornella Iriantsoa, Ayrton, Tiary, ary Mathieu. Efa nanainga omaly, hihazo an’i Pologne ny delegasionina malagasy. Nilaza ireo atleta malagasy fa efa […]
Fanatajahantena
Politika Nasionalin’ny fanatanjahantena (PNS) : Hampandroso sy hanatsara ny fanatanjahantena
Notontosaina ny zoma lasa teo, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny lanonana famaranana sy ny fampisehoana ny drafitra vaovao hampandrosoana sy hanavaozana ny fanatanjahantena eto Madagasikara, na ny politika nasionalin’ny fanatanjahantena (PNS). Nitarika ny lanonana tamin’izany ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré, sy ireo solontenan’ny […]
DAKA AN-JORONY
Manao mpanefy toka-tena Fotoana vitsy sisa hananana azy dia hivalona any amin’ny varo-tsy mifody ny taona 2026. Samy mamisavisa ny zava-bita sy ny mbola kinasa ny rehetra. Efa hiditra any amin’ny fifidianana sy fanavaozana ireo mpitantana isanisany ihany koa ny ligy sy ny federasionina sasany. Nisy ireo nahavita be, tao […]
Rugby- Amboaran’i Madagasikara : Nihintsana ny FTM manohy ny diany ny Cosfa
Notontosaina omaly, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ambaoran’i Madagasikara, taranja Rugby. Nihintsana am-boalohany ny FTM Manjakaray raha mbola manohy ny lalany kosa ny Cosfa. “Vokatra tsy nampoizina ” ! Taorian’izay taona maro lasa izay, sambany indray vao raraka teo amin’ny ampahefa-dalan’ny amboaran’i Madagasikara, Top 8, taranja Rugby, […]
Beach Volley: firenena 5 hiady ho lohany
Hotanterahina atsy Comores, ao amin’ny torapasik’i Itsandra Mojini, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra fahafito, amin’ny Beach volley na Volley-ball lalaovina ambony fasika, sokajy U18, lahy sy vavy. Fihaonana karakarain’ny kaonfederasiona afrikanina (CAVB), ny 15 ka hatramin’ny 18 oktobra ho avy izao. Firenena dimy no hiady ho lohany amin’ity dia […]





