Fanatajahantena

SOMBIM-BAOVAO

Tsy mbola tontosa ny fifidianana eo anivon’ny seksiona Atsimondrano sy Avaradrano, ho an’ny taranja rugby. Tsy mbola voafaritra ihany koa ny daty hanatontosana izany. Mandra-piandry io fotoana io, miantso ireo kandidà hameno ny antontan-taratasiny hatramin’ny rahampitso ny tomponandraikitra. Toy izany koa ireo fileo­vana tsy mbola nanavao ny taratasy fahazoany miasa […]

LIGUE DES CHAMPIONS EUROPE : nahavita «remontada» tany Espagne ny PSG

Tafita amin’ny manasa-dalana, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa «Ligue des champions», taranja baolina kitra ny PSG. Resiny ta­min’ny isa mazava, 4 no ho 1 tao amin’ny kianja filalaovany ao Montjuïc, ny FC Barcelone ny talata lasa teo, nandritra ny lalao ampahefa-dalana miverina. Nahavita ny “remontada”, ny Parizianina rehefa resin’ny […]

Pureplay football league (PFL): nosazian’ny CFEM ny Mama FC sy ny 3FB Toliara

Herinandro taorian’ny fisian’ny gidragidra teo amin’ny lalaon’ny Mama FC sy ny 3FB, namoaka fanapahan-kevitra ny Club du football Elite de Madagascar (CFEM). Sazy henjana no azon’ny roa tonta. Nivory teny Mahamasina, ny talata lasa teo, ny Club de football Elite de Madagascar (CFEM), sy ireo fi­lohan’ny klioba efatra ao amin’ […]

Federasion’ny taekwondo : lany ho filoha Rakotomanana Franck

Tontosa teny Alarobia, omaly, ny fifidianana ny filohan’ny federasiona malagasin’ny taranja taekwondo (FMTKD). Rakotomanana Franck Tiana no lany hitantana ity taranja ity mandritra ny efa-taona. Naha­zo vato dimy tamin’ireo ligy fito nahazo nifidy ny tenany. Vato roa kosa ny azon’ny kandidà mpifaninana taminy, Ramanantsoa Christian Richard, filohan’ny FMTKD teo aloha. Ny […]