Fiaraha-monina

rivodoza gamane : nampitondra faisana faritra maro

Nitondra ora-nikija ho an’ny tapany avaratra ilay rivodoza Gamane izay niditra an-tanety tao amin’ny kaominina Ampisikinana, distrikan’i Vohemar, faritra Sava, omaly maraina. “Tsy nihetsika firy izy, omaly tontolo andro, fa nianatsimo tsikelikely ny fizotrany hatramin’ny anio maraina. Tombanana hivoaka an-dranomasina any amin’ny ditrikan’i Maroantsetra, faritra Analanjirofo izy rahampitso sy anio », […]

Tobin-jandary: nitsidika ireo traboina ny minisitra Fomendraza

Nitsidika ireo traboina vokatry ny haintrano tetsy amin’ny Caserne an’ny zandarimaria Mahazoarivo ny minisitry ny Mponina, Fomendraza Haingo Elisette, ny alarobia teo. Na­no­lotra ireo fitaovana ilaina amin’ny fiainana andavanandro izy. Nahita kidoro sy lamba firakotra ary kojakojan-dakozia miaraka amin’ny fitaovam-pianarana izany. Naneho firaisankina tamin’ireo tokantrano 19 niaram-boina ny minisitra. “Vary […]

« Safidiko ny momba ny vatako » : nampitombo ny vehivavy sembana nanatona hopitaly

Nifarana ny tetikasa “Safidiko ny momba ny vatako” ho fampivoarana ny fananahana ara-pahasalaman’ny vehivavy manana fahasembanana. Nisahana izany ny fikambanana Afham tao anatin’ny 17 volana. Faritra roa, Alaotra Man­goro sy Amoron’i Mania, no nanaovana ny tetikasa. “Tsy mbola nanana sampan’ny fikambanan’ny vehivavy manana fahasembanana eto Madagasikara (Afham) ireo faritra ireo. […]

INDRAY MIJERY

Nahazo solosaina sy kojakoja manodidina izany avy amin’ny OIT ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Hanatsara ny asan’ny sampandraharaha misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza izany. Tanjona ny hanarenana ny sekoly niharam-boina nandritra ny rivodoza farany teo. Nivadika nangatsiaka tampoka ny andro 3 andro izay. Betsaka ireo olona tsy mahazaka izany […]

karatra biometrika: tsy manaiky ny hanafoanana azy ny mpivarotra

Tsy manaiky ny naoty navoakan’ny PDS an’Antana­narivo, manafoana ny karatra biometrika, ireo mpivarotra mi­vondrona ao anatin’ny fikambanan’ny mpivarotra Ambodi­ni­sotry (FMA). «Tsy mety ny hanafoanana ny karatra biometrika satria lasa manala anay ao anatin’ny ara-dalàna ary mamerina anay any amin’ny gaboraraka izany”, hoy ny filohan’ny FMA, Rakotosami­manana Arthur, raha nitafa tamin’ny […]