Tsy fanatanterahana andraikitra sy tsy fahatomombanana fikarakarana antontan-draharaha ary ny tsy fanajana ireo adidy aman’andraikitra takin’ny asa. Ireo no antony fototra nampiatoana ny mpitsara telo eo anivon’ny fampanoavana ao amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac), Antananarivo, araka ny fampitam-baovaon’ny fitaleavan’ny serasera eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, omaly. Hamafisiny fa ampiharina amin’ny […]
Politika
Fanarenana ny firenena : Mitaky dinika madio ny Fitambolagnela
Nanao fanambarana ny antoko politika Fitambolagnela fa miorina amin’ny fanarenana ny firenena no iorenan’ ny foto-kevitra ijoroany. “Mitaky dinika madio, marina ary tomponandrakitra, izay mametraka ny tombontsoam-pirenena ho ambonin’ny tombontsoan’ny olon-tokana na vondrona, araka izany, ny antoko. Fahavononana hiova, andraikitra iombonana, fahitsiana ary fifampitokisana. Ireo no ilaina amin’ny fanarenana”, hoy ny nambaran’ny filoha […]
Filohan’ny Fanavaozana: ”Zava-dehibe ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena”
Nanamarika ny filohan’ny Fanavaozana fa zava-dehibe ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fampandrosoana. Nandritra ny fihaonany tamin’ny hery velona tao Sainte Marie no nilazany izany. Zava-dehibe ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fampandrosoan. Io no anisan’ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, nihaona tamin’ireo hery velona tao Sainte Marie, Analanjirofo, afakomaly. […]
FANTINA sy FINTINA
Dingana tsara ny fikaonandoham-pirenena, saingy tsy nahavaha ny krizy politika ny fikaonandoham-pirenena natao teto Madagasikara hatramin’izay, araka ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Fahefa-mividy no ilain’ny Malagasy (FMI), Ratsietison Jean Jacques. Efa nisy fanapahan-kevitra voaomana mialoha hatrany. Irariana mba tsy hitovy amin’izany izay hatao amin’ izao, ary tokony ho voasolo tena amin’izany […]
SADC : “Ny samy Malagasy ihany no hanao ny dinika nasionaly”
Namaly ny fanontanian’ireo parlemanta afrikanina momba an’i Madagasikara ny filohan’ny SADC. Nambarany, tamin’izany, fa ny samy Malagasy ihany no hanao ny dinika nasionaly. Niankina tamin’ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) malagasy ny SADC, araka ny valintenin’ny mpitarika ny SADC sady filohan’i Afrika Atsimo, Matamela Cyril Ramaphosa, tamin’ny […]




