Mozika klasika: hanolotra seho roa ny Madagascar Orchestra

Ny 19 aogositra izao ny voalohany, ao amin’ny Cgm Analakely. Hatao ny 21 aogositra kosa ny seho faharoa, ao amin’ny Ekar Faravohitra. Ireo indray ny fotoana homen’ny Malagasy Orchestra ho an’ireo mpankafy mozika klasika. Hitarika ny orikesitra i François Maugrenier sy Rakotoarimino Antsanirina, ka hamelona indray ny « St Paul’s suite op.24 no2 » an’i Gustav Holst sy ny « Serenade for strings op.48 » an’i Pyotr Ilyich Tschaikowsky izy ireo. Hifototra bebe kokoa amin’ny zavamaneno misy tadiny, araka izany, ny seho.

Tsiahivina fa niforona ny taona 2020 ny Madagascar Orchestra, ivondronan’ireo mpitendry marolafy, samy mikatsaka ny Kanto indrindra amin’ny mozika klasika. Mikasika izay indrindra, miatrika fiofanana any Frantsa amin’izao fotoana izao Rakotoarimino Antsanirina na i Rahf, izay mpitarika ny Madagascar Orchestra. Nitarika ny seho « Requiem » an’i Franz Biber izy tany Ménerbes, ny asabotsy teo, izay tafiditra anatin’ny fiofanana ataony. I Rahf irery no tsy Eoropeanina amin’ireo mpitarika orikesitra miara -miofana aminy, saingy tsy mena-mitaha kosa ity mpanakanto malagasy ity.

Zo ny Aina

Partager sur: