Rallye du Boeny: Mpanamory 33 hiady lohany

Hotanterahina any Mahajanga, ny 12 ka hatramin’ny 14 aogositra ho avy izao, ny andiany faha-16 amin’ny Rallye du Boeny, karakarain’ny Team Gojanga. Dingana fahefatra amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja familiana fiarakodia. Mahatratra 33 ireo mpanamory hifaninana sy hiady ny lohany amin’ity. Anisan’izany, i Mathieu (zaza maditra) sy i Andry Tahiana, mitondra ny fiara Subaru sy Rabekoto Frederic sy i Mick izay samy hitondra fiara Subaru avokoa ary avy amin’ny klioba Asacm avokoa.

Mahatratra 230 km ny halavan’ny lalana hodiavina amin’ity Rallye du Boeny ity izay hisy dingana manokana “ES”, miisa 17 mirefy 126 km. Toy ny mahazatra, hisy ny dingana manokana hotanterahina amin’ny andro alina, amin’ity Rallye du Boeny ity, izay mampitohy an’Ampitolova sy Vitogaz, misy halavirana 4, 33 km. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny fiaingana, manomboka amin’ny 6 ora hariva ho an’ireo dingana manokana sasany. Hanana ny lanjany tokoa ity fifaninanana ity satria ankoatra ireo mpanamory eto Madagasikara, handray anjara koa i Hugo Louvel sy i Naomi, mipetraka any Frantsa.

Torcelin

Partager sur: