Rugby: Nomen’i Faneva Ima «godasse » ny Makis vehivavy

Mifanohana ny samy mpanao fanatanjahantena. Noporofoin’Andriantsima Faneva Ima, kapitenin’ny Barea teo aloha izany, tamin’ny fanolorany fitaovana ho an’ireo mpilalaon’ny Makis vehivavy hiatrika ny “Mondiaux 2022”. 

Na ny sehatry ny baolina kitra aza no nahalalana an’Andriantsima Faneva Ima, kapitenin’ny Barea de Madagascar teo aloha, tsy nanisy elanelana tamin’ireo taranja hafa ny tenany. Araka izany, tonga teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny tenany omaly alarobia, nijery ny fanomanantenan’ny Makis vehivavy, handeha hiatrika ny “Mondiaux 2022”, amin’ny rugby lalaovina olona fito.

Tsy tonga tamin’ny tanam-polo izy fa nitondra fitaovana ho azy ireo ka nanolotra “godasse” miisa 17 ho an’ireo mpilalao sy ny teknisianina. «Tsy misy mahavita tena fa tsara ny mifanampy, ary ny erikerika no mahatondra-drano», hoy izy. Nomarihiny fa mba hahafahan’ireo mpilalao misolosolo ireo “godasse” ireo. Nohamafisiny fa tsy tokony hatao hahakivy ireny olona na mpanohana mitsikera ireny fa tokony manao asa tsara fotsiny isika mpilalao sy mpitantana.  «Rehefa miady mafy ianao na resy aza mahatsiaro afa-po foana sady mivoaka am-pahamendrehana. Ndao hitambatra fa mahavita zavatra”, araka ny nambarany. “Tsy miteny aho hoe ento mody ny amboara eran-tany, fa mila miady mafy fotsiny dia arovy ny tanindrazana», hoy i Faneva Ima.

Tsiahivina fa efa mpanazatra ny Clermont Foot U18 ny tenany ankehitriny.  

Nanampy ihany koa i Zina

Ankoatra an’i Faneva Ima, tonga  teny Andohatapenaka ihany koa Ramanamirija Zina Nicolas, milalao any amin’ny Stade Français Paris. Nanolotra «plot», hahafahan’ny Makis, manampy ireo fitaovana hanaovana fanazarantena. Tsiahivina fa efa nanome vary sy menaka ho an’ireo mpilalaon’ny Makis ny tenany ny faran’ny herinandro lasa teo. Tamin’izany no nampanantenainy fa hanomezany ireo fitaovana ireo. Noho ny andro mbola mangatsiaka, nomena “couette” koa ireo mpilalao tsirairay avy.

Marihina fa mijanona sy mipetraka eny Andohatapenaka ireo mpilalao rehetra manomboka ny alatsinainy ho avy izao, mandra-piaingany ho atsy Afrika Atsimo, hiatrehana ny “Mondiaux 2022”, ny 9 – 11 septambra ho avy izao.

Mbola miantso ireo mpanohana sy malala-tanana hatrany ny eo anivon’ny Malagasy rugby, izay nisaotra an’i Faneva Ima sy i Zina.

Tompondaka

Partager sur: